Vita sonia tetsy amin’ny EPP Soarano ny alarobia 14 martsa 2018 ny fifanaraham-piarahamiasa eo amin’ny Ministera misahana ny Fanabeazam-pirenena tamin’ny alalan’ny Tale Jeneralin’ny Fanabeazam-pirenena Todisoa Andriamampandry sy ny Kaominina Antananarivo Renivohitra tamin’ny alalan’ny Ben’ny Tanàna Lalao Ravalomanana .
Nivoitra nandritra izany fa zava-dehibe ny fanatsarana ny fitantanana mba hisian’ny mangarahara sy ialàna amin’ny mety ho fifanitsahan’andraikitra mba ho tombotsoan’ny zaza Malagasy ka anisan’izany ny mpianatra ao amin’ny EPP Soarano . Fantatra fa natsangana ny Komity manokana na « Comité de Direction » izay ahitana olona 11 ahitana ny solontenan’ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena , ny Kaominina Antananarivo Renivohitra ary ny avy amin’ny Ray aman-drenin’ny mpianatra ; Io Komity manokana io no hitantana ny vola sy hiandraikitra ny fotodrafitr’asa . Ankoatra izay dia anjaran’ny Ministeran’ny Fanabezam-pirenena no hiandraikitra ny fitantanana , ny CUA kosa no hisahana ny fotodrafitr’asa .Ny Ben’ny Tanànan’Iarivo Lalao Ravalomanana manokana dia nanamarika fa ho modely izao fifanarahana izao ary hihitatra amin’ny EPP 92 ambiny eto Antananarivo satria zavadehibe ny fitaizana ny ankizy noho izy ireny ho avin’ny firenena , mila mivoatra rahateo ny rafitra raha ny fampandrosoana ny EPP no resahana .
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.