Ankizy mihoatra ny 400 monina ao amin’ny Fokontany Ankorondrano no notoloran’ny orinasam-pifandraisana Airtel sy ny fikambanana Rotary Club Ankorondrano kopia mari-pahaterahana ny Sabotsy teo taorian’ny fidinana ifotony notanterahin’ny Fitsarana ambaratonga voalohany teny an-toerana.
Nambaran’ny tale jeneralin’ny Airtel Maixent Bekangba nandritra izany fa ankoatra ny asa hiantsorohan’izy ireo mahazatra dia miezaka hatrany izy ireo manampy ny mpiara-belona amin’ny alalan’ireo filana maro isan-karazany. Anisan’izany ny kopia mari-pahaterahana hoy izy izay tena filàna fototra ho an’ny olombelona tokoa, indrindra fa ireo mbola tsy manana izany izay niarahany tamin’ny fikambanana Rotary. Betsaka ireo asa efa niarahan’ny roa tonta raha tsiahivina. Anisan’ireny ny fanolorana bodofotsy ho an’ireo olona sahirana, ny fotsim-bary nandritra ny vanim-potoanan’ny ririnina farany teo. Nisy ihany koa ireo mpiara-miasa tamin’izy ireo izay nifanampy taminy tamin’ny fampidirana an-tsekoly ireo ankizy madinika tsy afaka miaina izany. Ho an’ny fikambanana Rotary Club manokana dia tsar any mampahatasiahy fa manana tetikasa roa izy ireo dia ny fanomezana kopia mari-pahaterahana ho an’ireo mbola tsy manana izany sy ny famatsiana rano fisotro madio ireo olona sahirana ara-pivelomana.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.