Talen-tsekoly sy mpampianatra, mpitandrina, pasitera, loholona, diakona no tonga nanatrika izany fiofanana izany nandritra ny 2 andro tao Manakara .Nahatratra 60 izy ireo ary naneho ny hafaliany tanteraka ny filohan’ny synodam-paritany Atsimo Atsinanana,
pastera Razafindratsimba Tokinirina Zarasoa satria saika tonga nanatrika izany avokoa ny 90%-n’ireo mpitandrina ao aminy. Tao amin’ny FJKM Manakara Soamiaradia, synodam-paritany Atsimo Atsinanana, synoda faha-16, ny 3 sy 4 Mey lasa teo no tontosa izany fiofanana izany.Isan’ny tanjon’ny tahirim-pirenena momba ny fiahiana ara-tsôsialy, ankoatra ny fampahafantarana ny momba azy sy ireo zo sitrahin’ireo mpiasa rehetra, ny hanaparitahan’ireo nisitraka izany fiofanana izany eny anivon’ny namana sy ny fiaraha-monina misy azy. Nizara 4 mazava tsara ny fampiofanana natao : ny voalohany mahakasika ny lalàna mifehy ny asa sy ny fampahafantarana momba ny fiahiana ara-tsôsialy ka nanazaana ny maha-zava-dehibe ny fifanarahana an-tsoratra ataon’ny mpiasa sy ny mpampiasa fa indrindra ny fanamarinana izany any amin’ny « inspection de travail » izay dokoteran’ny asa. Ity farany mantsy, hoy izy, no manampy raha toa ka misy olana amin’ny asa sy ny eo anivon’ny fiahiana ara-tsôsialy. Ny fanampiana ny fianakaviana indray no lohahevitra faharoa. Tafiditra ao anatin’izany moa ny volan’ny bevohoka, ny volan’ny mpitaiza kely, ny volan-jaza, ny fanonerana ny vola lany tamin’ny fiterahana ary ny antsan-karaman’ny vehivavy tera-bao. Momba ny loza na aretina mitranga eo am-perin’asa kosa ny lohahevitra fahatelo, mahakasika izany indrindra, ho an’ny aretina mety mitranga ao anatin’ny asa, dia nambarany fa misy 48 isa izy ireo amin’izao fotoana no voalazan’ny lalàna, saingy ho ezahina ho 90 noho ny fahatsapàn’ny CNaPS fa mihamaro ireo aretina mitranga vokatry ny asa amin’izao fotoana. Ny fisotron-dronono kosa no namarana ny fiofanana.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.