Actualités

Fiaraha-mientan’ny Mpiasam-panjakana Handray fanapahan-kevitra anio


  • Alatsinainy 12 Jolay 2010

Notsinontsinoavin’ny FAT ny fampitandremana herinandro nataon’ireo mpiasam-panjakana mivondrona ao amin’ny Fiara-hamientan’ny mpiasam-panjakana ahitana sendika sy fikambanana miisa 13 izay mitaky ny «grille d’indiciaire consolidé» na mari-karama mitovy, mifanaraka amin’ny mari-pahaizana.

Tsy nahazo fampiantsoana avy tamin’ireo tompon’andraikitra voalohany eo anivon’ny governemanta mihitsy mantsy ireo mpitarika ny hetsika. Nanamarika kosa anefa i Andriankinana Tsialofana avy ao amin’ny SMMD fa asaina maika hiatrika fivoriana ao amin’ny CSFOP izy ireo anio amin’ny 10 ora maraina, araka ny fampiantsoana nataon’ny filohan’ity filankevitra ity izay sady Sekretera jeneralin’ny ministeran’ny asam-panjakana koa ny zoma hariva teo. «Asa raha misy ifandraisany amin’ny fitakianay io fivoriana iarahana amin’ny CSFOP io na tsia saingy raha tsy misy ny fanapahan-kevitra tapaka dia efa niomana hanatanteraka fihaonana izahay mpitarika ny hetsika anio ka ho fantatra eo ny tohin’ny fitakiana», hoy ity mpitarika mafana fo ao amin’ny ny fitokonan’ny mpitsabo mpanampy ity.

Fantatra amin’ity herinandro ity izany izay ho tohin’ny tantara. Ireo mpiasam-panjakana moa dia efa nandrahona tamin’ny fivoriana notontosain’izy ireo teny amin’ny Falda Antanimena ny sabotsy 03 jolay fa hitokona tsy hiasa izy ireo raha tsy mahazo valiny mahafa-po. Nisy tamin’ireo mpanabe koa no nanambara ny tsy fandraisany anjara amin’ny fanadinam-panjakana mifandimby izay santarin’ny Cepe anio. Raha tsiahivina dia fampanantenan’i Andry Rajoelina, filohan’ny FAT, tamin’ireo mpitsabo mpanampy nihaona taminy tao Ambohitsorohitra ny 30 martsa 2010 io fampitoviana ny mari-karaman’ny mpiasam-panjakana io ary ny ministry ny asam-panjakana koa tetsy andaniny efa nanamafy ny fanomezana izany ny 01 mey, saingy izao tsy mbola tanteraka izao.

Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

  • SAVOROVORO TENY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

AMIN'NY 67 HA

  • HERISETRA AMIN’NY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

MAHALAHY SY MAHAVAVY

  • Saran'ny fampiasana "drones"
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Mahatratra 1 560 000Ar hatreto...

  • Firosoana amin’ny
  • Alarobia 29 Aprily 2026

fampiasĂ na nomerika

Hijery ny tohiny
FTT