Actualités

Fiaraha-miasan’ny FLM sy ny CNaPS Synoda faha-11 nahazo fiofanana i Sofia


  • Sabotsy 28 Aprily 2018

Synoda FLM (Fiangonana Loterana Malagasy) miisa 11 hatreto no voahofan’ny CNaPS mikasika ny fiahiana ara-tsosialy ka mpiasam-piangonana sy mpanao raharaha miisa 3 000 no nahazo tombotsoa tamin’izany.

 Nampiantrano ny atrikasa fiofanana momba ny zon’ny mpiasa izany ny synoda Sofia. Hetsika izay tafiditra indrindra amin’ny fanatanterahana ny fiaraha-miasa eo amin’ny CNaPS sy ny FLM. Raha ny FLM no jerena dia mbola maro tokoa ny mpiasa tsy mahafantatra ny lalàna mifehy ny asa sy ny fiahiana ara-tsosialy ka « anisan’ny nahafinaritra tamin’ity fiofanana indray mitoraka ity, hoy Ramatoa Rakoto Ramiarantsoa Jeanine talen’ny fifandraisana eo anivon’ny Tahirim-pirenena, ny fahitana tranga maro izay tokony harenina ary iarahana manarina satria ny tanjona dia ny hisitrahan’ny rehetra ny zony ». Ahitana fileovana 5, fitandremana 17, fiangonana 147 ny synodam-paritany FLM Sofia ka miisa 16 ny pastora amin’izany ary 1 kosa dia téôlôjiana araka ny antontan’isa avy amin’ny filohan’ny synoda Sofia ny pastora Toto Armand.  Somary ambanivolo ny ankabeazan’ireo fileovana ary lavitra ka mety ho voan’ny loza ny mpiasam-piangonana eo am-panatanterahana ny asany na ny iraka ampanaovin’ny fiangonana azy ; mendrika koa izy ireo hisitraka ny fisotron-dronono ary maro amin’izy ireo no manana ankohonana ka tokony hisitraka ny fanampiana ny fianakaviana izay omen’ny CNaPS . Ireo fanampiana telo ara-tsosialy avy amin’ny Tahirim-pirenena ireo no fototry ny lahadinika nandritra ny roa andro, miampy ny fampahafantarana ny adidin’ny mpampiasa. Hampiantrano fiofanana sahala amin’izao atsy ho atsy ny Synoda any Melaky, Ihorombe ary Soanierana Ivongo.

 

RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT