Fanoitra iray entina mampandroso sy manodina ny orinasa ny fahaiza-mitarika ka nahatonga ireo mpianatra eo anivon’ny Sekolin’ny Fambolena sy ny Fiompiana(SEFAFI) tany Tombotsoa Antsirabe nangataka fampianarana sy fizarana traikefa avy amin’ny tale jeneralin’ny CNaPS
Arizaka Rabekoto Raoul nandritra ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny fifanekem-piaraha-miasa teo amin’ny CNaPS sy ny FLM (Fiangonana Loterana Malagasy). Mahatratra 400 ireo mpianatra ao amin’ny SEFAFI Tombotsoa. Izy ireo no ho mpampiasa sy mpiasa rahampitso ka izay indrindra no nahatonga ny fampianarana azy ireo ho tonga mpitantana mahomby. Tafiditra ao anatin’izany ny resaka fiahiana ara-tsosialy. Zavatra telo lehibe no nozarain’ny tale jeneralin’ny CNaPS tamin’ireo mpiasa sy mpianatra dia « ny fananana finoana matanjaka, ny fitantanana madio ary ny fananana ny hoenti-manana » Nahaliana ireo mpianatra ny« sucess-story »an’Atoa tale jeneralin’ny CNaPS satria hatramin’ny nitantanany io orinasa io dia sarotiny izy amin’ny fisian’ny mangarahara ara-pitantanana, ny fanajana ny fotodrafitrasa ho an’ny taranaka ary ny fahaizany mitarika ny mpiara-miasa aminy rehetra manerana ny Nosy. Raha tsiahivina, ny CNaPS no nahazo ny naoty ambony indrindra tamin’ny « transparence budgétaire na IBO » tamin’ny taona lasa. Ny fahaiza-mitantana ihany koa dia miantoka ny fampandrosoana ny fiainan’ny fiangonana sy ny firenena ary, indrindra ny fivelaran’ny mpiasa, hoy ny pastora Dr Rakotonirina David filohan’ny FLM. Nanteriny fa « tsy tokony ho teny filamatra fotsiny fa tena iainan’ny fiangonana ny fitantanana madio mba hahafahana mikarakara ny mpiara-miasa rehetra eo anivon’ny FLM na ny am-perinasa io na ny efa misotro ronono ». Ny sekolin’ny FLM Tombotsoa Antsirabe moa dia manofana tanora ho tonga mpiantsehatra amin’ny tontolo ambanivohitra. Ankoatra ny lesona dia misy avy hatrany ny fampiharana ny taona 1965 no nijoro ity sekolin’ny FLM ity ary manampy betsaka ireo mpandalina ny fambolena ny velaran-tany mirefy 130ha izay hanaovana ny fampiharana ho an’ny seha-pambolena rehetra. Ho an’ny lalam-piofanana fiompiana kosa dia manana ombivavy beronono miisa150, akoho 6 500, kisoa 100 mahery ary ondry ny osy ny SEFAFI Tombotsoa any Antsirabe.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.