Actualités

Fiaraha-miasan’ny CNaPS - FLM Fandriana sy Soavina indray no nahazo fiofanana


  • Talata 17 Aprily 2018

Tsy tokony diso anjara amin’ny fiahiana ara-tsosialy ny mpiasam-piangonanana. Izay no torolalana tsy maintsy tanterahina ho an’ny sahan’ny Fiangonana Loterana Malagasy (FLM) araky ny fanentanana nataon’ny Filohan’ny FLM Pastora Dr David Rakotonirina raha niaraka nizara ny tombontsoa ho an’ny mpampisa sy ny mpiasa amin’ny fidirana mpikambana ao amin’ny CNaPS.

 Izany dia nandritry ny fanentanana niharo fifanakalozan-kevitra tamin’ireo Pastora, vehivay teolojiana, katekista, evengelistra, mpampianatra sy mpitsabo ary olon’ny Komitim-piangonana avy amin’ny Synoda roa tonta dia ny SPAFI (Synodam-paritany Fisakana) tao Fandriana ny 10 sy 11 aprily 2018 ary tao Soavina ho an’ny SPAtsim (Synodam-paritany atsimon’ny Mania) ny 12 sy 13 aprily 2018.Nitondra fiofanana ny avy amin’ny Foibe CNaPS Antananarivo nampian’ireo solontenan’ny tendro sy ny masoivoho ka ireo mpiasam-piangonana miisa 200 no niofana tao amin’ny SFM Fandriana ho an’ny SPAFI ary 120 no nanoina ny antso tao amin’ny Fiangonana FLM Soavina ho an’ny SPtsim. Tonga mavitrika nanentana ihany koa ny Filohan’ny FLM. Synoda fahafolo sy faha iraika ambin’ny folo amin’ireo Synoda 24 misy ao amin’ny FLM. Na tao Fandriana na tany Soavina dia samy nanambara ny mpanatrika ny fiofanana fa nilaina sy nahasoa ireo toro-làlana sy fampitana traikefa nomen’ny CNaPS.

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT