Omaly no notanterahina tetsy amin’ny lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena Mahamasina ny fanehoana ampahibemaso ny ezaka vita tamin’ny fiaraha-miasan’ny firenena mikambana sy Madagasikara ary ireo mpiara-miombon’antoka nandritra ny taona 2017.
Maro ny sehatra hita tamin’ny fampiratiana toy ny fahasalamana, fanabeazana, ady atao amin’ny kolikoly, fametrahana ny fanjakana tsara tantana, fambolena, fanomezana tombontsoa ireo tetikasa sahirana. Fanamafisana ny fandaharan’asan’ny governemanta sy ny firenena mikambana izay entina manampy ny Malagasy no tanjona, hoy ny praiminisitra Mahafaly Solonandrasana Olivier. Tsy maintsy handroso i Madagasikara rehefa misy ny fiaraha-miasa sy fanampiana amin’ny mpiara-miombon’antoka, hoy ihany ity farany. Azo zaraina 3 ny fandaharan’asan’ny firenena mikambana sy Madagasikara (UNDAF 2015 – 2019). Ny sehatra famoronan’asa any amin’ny faritra izay natao hanatsarana ny fidiram-bola, ao ihany koa ny fitantanana sy ny fanajana ary ny fiarovana ny lalàna izay ahitana fandahan’asa maro tahaka ny fiarovana ny zon’olombelona, fahaiza-mitantana ara-panjakana na tsy miankina izay tena iankinan’ny toekarena. Ary ny fahatelo farany dia ny fanohanana ny fandaharan’asa rehetra mba ahafahan’ny rehetra misitraka ny amin’ny lafiny fampianarana, fahasalamana, fidiovana … (services sociaux de base). Hitohy hatramin’ny zoma ny hetsika izay hiandrasana ny mpianatra, fiarahamonim-pirenena ary ny sehatra tsy miankina ka ezahina hampahafantarina ireo tanjona 17 ho amin’ny ady amin’ny fahantrana. Mbola maro ny ezaka tokony hatao satria iaraha-mahalala ny fahantran’ny Malagasy sy ny toerana misy an’i Madagasikara amin’izao fotoana ka tokony hitohy hatrany ny fiaraha-miasa amin’ny firenena mikambana, indrindra ireo mpamatsy vola, hoy kosa ireo mpandraharaha Malagasy.
Tsiry
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.