Tanterahina ao amin’ny Lapan’i Mahazoarivo mandritra ny roa andro nanomboka omaly ny dinika politika sy stratejika andiany faharoa ao anatin’ny fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’i Madagasikara sy Alemana.
Nitarika ny fotoam-panokafana omaly 6 novambra ny praiminisitra lehiben’ny governemanta, Mahafaly Solonandrasana Olivier, notronin’ny mpiasam-panjakana ambony ao amin’ny minisitera Federaly Alema momba ny fiaraha-miasa (BMZ), Valentin Katzer izay nitarika ny delegasiona alemana, ny Ambasadaoron’i alemana SEM Harald Gehrig, ary mpikambana sasany ao amin’ny Governemanta. Izao fihaonana izao dia niarahana nanapaka tamin’ny minisitera federaly Alema momba ny fiaraha-miasa (BMZ) sy ireo mpiara-miasa eo amin’ny lafiny teknika (GIZ) sy lafiny vola (KFW). Tanjon’ity dinika ity ny fijerena ny zava-misy mahakasika ireo nifaneken’ny roa tonta hotanterahina taorian’ny fihaonana voalohany tamin’ny taona 2016, amin’ny fanatanterahana ireo tetikasa samihafa, ny famoaham-bola vita, ireo asa vita, ny famantarana ireo fanamby sy ny mety ho sakana amin’izany. Sehatra lehibe vitsivitsy no voakasik’izany dia ny fitsinjaram-pahefana, ny tontolo iainana, ny angovo, ny fambolena sy ny jono, ny fiaraha-miasa eo amin’ny fanjakana sy ny sehatra tsy miankina ary koa sehatra hafa tafiditra amin’ny tontolon’ny fampandrosoana ny firenena. Hisy ny fanaovan-tsonia ny fehin-kevitra hivoaka amin’izao dinika andiany faharoa iraisan’ny governemanta roa tonta izao (Malagasy-Zermanika) amin’ny fotoam-pamaranana anio alakamisy 7 desambra 2017.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.