Actualités

Fiaraha-miasa amin’ny Blueline Handeha nomerika ireo fahitalavitra malagasy


  • Zoma 16 Jolay 2010


 Tolotra vaovaon’ny orinasa Blueline ny fandefasana fahitalavitra araka ny haitao nomerika sy ny teknolojia «MMDS». Tsy hanokatra fahitalavitra vaovao akory ny orinasa fa ireo televiziona eto an-toerana no halefa amin’ny alalan’ireo teknolojia roa ireo. Raha ny fanazavan’ny Tale jeneraliny, Damien de Lamberterie dia misy ny fitaovana vidiana na hofaina amin’ny Blueline izay ahafahana mijery ireo fahitalavitra eto an-drenivohitra miankina sy tsy miankina amin’ny fanjakana miaraka amin’ny fahitalavitra vahiny araka izay safidin’ny mpanjifa. Maro ireo tolotra nomanina izay hamidy manomboka amin’ny volana septambra izao ka miankina amin’ny hamaroan’ny fahitalavitra vahiny safidiana no saran’ny fitaovana «décodeur» sy ny hofan’ny fampiasana azy koa. «10.000 ariary isam-bolana no sarany ambany indrindra izay efa ahitana ireo fahitalavitra malagasy sy vahiny efatra», hoy i  Matthieu Mertian, Tale misahana ny varotra. Tontosa omaly moa ny fifanaraham-piaraha-miasa teo amin’ny ORTM sy ny Blueline momba ity tetikasa ity izay ahafahana mahita ny Tvm amin’io tolotra vaovao io. Ireo mpanjifa tsy afaka manaraka ireo fandaharana vokarin’ny televiziona eto an-toerana noho ny haratsin’ny sary na tsy fahazoana azy mihitsy no tena kendrena satria hazava tsara ny kalitaon’ny sary sy ny feo. Eto Antananarivo ihany aloha fa mbola hojerena kosa ny lafiny teknika ahafahana manaparitaka azy any amin’ny faritra.

Yves
 
 
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

  • SAVOROVORO TENY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

AMIN'NY 67 HA

  • HERISETRA AMIN’NY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

MAHALAHY SY MAHAVAVY

  • Saran'ny fampiasana "drones"
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Mahatratra 1 560 000Ar hatreto...

  • Firosoana amin’ny
  • Alarobia 29 Aprily 2026

fampiasĂ na nomerika

Hijery ny tohiny
FTT