Actualités

Fiarabe nofain’ny ministeran’ny fambolena Nanimba taribin’ny herinaratra tao Toamasina


  • Alatsinainy 09 Martsa 2015

“Efa manao ezaka hanatrarana ny 22.600 MW filan’i Toamasina isan’andro ny jirama izao ary efa tratra izany herinandro izao, nefa izao somparan’ny fiarabe tsy mitandrina izao ka nampiaina fokontanin’i Tanamakoa manontolo tao anatin’ny fahatapahana indray…”.

 

 Izay no nambaran’Atoa Veloson Leonard talen’ny Jirama Toamasina mikasika ity fiarabe nofain’ny minisiteran’ny fambolena nitondra fitaovana goavam-be ny alin’ny zoma 06 martsa teo. Nanomboka teo amin’ny “Frip-Zone” hatrany amin’ny “cite ny paositra” mirefy 2km eo ny fahasimbana vokatr’izany. Nisy avy hatrany ny fandraisana fepetra nataon’ny Jirama niaraka tamin’ny polisy nanakana ity fiara be ity, na efa nikasa ny handositra aza izy. Taorian’izay dia nanamboatra ny simba rehetra ny jirama izay tsy vita raha tsy ny tolakandron’ny sabotsy 07 martsa noho ny fahamaroan’ny fahavoazana sy ny fahasimbana. Milaza ny hametraka fitoriana ny jirama Toamasina, satria tafiditra amin’ny fanimbana fananam-bahoaka ny vitan’ity fiara vaventy nofain’ny “MIN-AGRI” nitondra fitaovana goavana tsy misy fiarovana manokana ity.

 

Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • LalĂ na mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT