Actualités

Fiarabe manototra tany amin’ny alina Velon-taraina ny eny Andrefan’Andoharanofotsy


  • Alatsinainy 31 Jolay 2017

Velon-taraina ny mponina eny Andrefan’Andoharanofotsy amin’izao fotoana izao noho ny afitsok’ireo kamio lehibe manototra tany eny an-toerana.

Isaky ny andro alina no hisian’izany, ka am-polony mihitsy ireo fiarabe izay mirodorodo, ka miozongozona mihitsy ny tranon’ny olona eny an-toerana rehefa mandalo ireo fiara goavana eo anelanelan’ny amin’ny 11 ora alina ka hatramin’ny 3 ora maraina. Raha ny fanamarihan’ny mponina, dia tompon’andraikitra iray efa nitantana ny kaominina Antananarivo ary miasa eo anivona minisiteram-panjakana iray no tompon’antoka amin’ny fanotofana tany sy mampiasa ireo fiara goavana ireo. Somary toerana ambany anefa eny amin’iny Andrefan’Andoharanofotsy iny ary malemy ny tany, ka mety hiantraika amin’ny tranon’izy ireo. Manginy fotsiny ny rodorodon’ny fiara manakotaba ny olona isak’alina. Tsy fantatra mazava ihany koa raha manana alalana ara-dalàna ny asa fanotofana tany na atao an-terisetra fotsiny amin’ny maha tompon’andraikitra ambony ny olona voalaza fa ao ambadik’izany? Mangataka ny hampitsaharana izany ireo vahoaka eny an-toerana, saingy tsy hay na ho tanteraka na mbola hihatra ihany ny didin’ny besandry satria olona tsy vaovao io tompon’andraikitra ambony io.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

  • Gérard Ramamimampionona
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Milaza hoe te hanavao izao ny

  • Afera sinoa 11,
  • Talata 27 Oktobra 2026

olona ambony voatonona

  • Tale mpanatanteraky
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny ONTM vaovao

  • FIZAHANTANY MATIHANINA
  • Talata 27 Oktobra 2026

Tompon’andraikitra maromaro

  • MALOTO
  • Talata 27 Oktobra 2026

NY RIVOTRA ETO ANTANANARIVO

Hijery ny tohiny
FTT