Actualités

Fiarabe fakana fako Nanjavona ilay fanomezana ho an’Antsirabe


  • Alakamisy 08 Novambra 2012

Resabe ao an-tanŕnan’Antsirabe amin’izao fotoana ny mahakasika ilay fiarabe nambara fa fanomezana avy amin-dRajoelina tamin’ny nanitsahany voalohany ny tokotanin’Antsirabe.

 Nakotroka tokoa moa ny lanonana nandraisana ilay fiara tao amin’ny kianjan’ny Voirie tamin’izay fotoana izay. Tampoka teo dia anefa, tsy hita indray izay nanjavonan’ilay fanomezana hatramin’izao. Ny angom-baovao no nahafantarana fa fihetsiketsehana fotsiny ilay lanonana natao tamin’iny fotoana iny fa fiarabe an’olona nindramina, hono, ilay izy.

Ny mpamilin’ny orinasa mpanafatra azy no nitondra ilay fiara naseho nandritra ny lanonana ny tolakandron’ny talata 16 oktobra 2012 sy nitondra azy niverina aty an-drenivohitra indray ny maraina be tokony ho tamin’ny 03 ora ny alakamisy 17 oktobra tany ho any fa tsy maintsy aterina any amin’ilay tena tompony ny fiara. Nisy tompon’andraikitra niezaka nanome fanazavana nilaza fa naverina ilay fiara fa kely loatra ka miandry ilay iray fanampiny vao hatolotra indray … Ny loharanom-baovao anefa dia nilaza fa tsy izy mihitsy ilay naseho tao Antsirabe fa tena sinema fotsiny tokoa. Hatreto moa dia miandry ilay fanomezana indray izany Antsirabe mba hiandrasana ilay fanadiovana ho 200%, araka ny fampanantenan’ny PDS ny vahoaka.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • METFP,
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Poste budgétaire 2023-2025

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Hamboarina ny fefiloha

  • Niakatra fitsarana
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

noho ny afera « Boeing »

  • Fikojakojana ny
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

“décanteur Pulsator II” Mandroseza

  • Sehatry
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

ny angovo avy amin’ny masoandro

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

Hijery ny tohiny
FTT