Actualités

Fiara « volant ŕ droite » Ahiboka avy hatrany izay tratra


  • Alatsinainy 02 Novambra 2015

Tsy mahazo mivezivezy eto amin’ny tanin’ny Repoblikan’i Madagasikara intsony nanomboka omaly alahady 1 novambra 2015 ny fiara familiana an-kavanana na « volant ŕ droite », araka ny didim-panjakana nivoaka tamin’ny 11 febroary tamin’ity taona ity

 

. Ny 31 jolay no efa saika nampiharana io fandrarana io saingy nahemotra izany noho ny antony maro samihafa.Tsy hihemotra intsony kosa anefa izahay fa tsy maintsy ampiharina ny lalàna, hoy ny kolonely Andry Rakotondrazaka lehiben’ny ATT ka izay fiara familiana an-kavanana hita mbola mandeha eny amin’ny arabe dia ampidirina toerana mihiboka (fourrière) avy hatrany, ary tsy mahazo mihetsika ao raha tsy ovaina amin’ny an-kavia ny familiana azy. Tombanana ho 500 000 ny isan’ny fiara manana familiana an-kavanana eto Madagasikara.  Nanazava ny avy ao amin’ny minisiteran’ny fitaterana fa fanajana ny fifanarahana iraisam-pirenena tao anatin’ny Fifanarahan’i Vienne (1968),izay nekena sy nosoniavin’i Madagasikara  ka nandrafetana ny lalàna rehetra eto amintsika no nahatonga ny fandraisana io fepetra io. Raha nekena hatrizay ny fidiran’ireo fiara familiana an-kavanana teto amintsika dia napetraka ny fepetra hoe tsy maintsy ovaina familiana an-kavia izy ireo. Tsapa anefa fa tsy voahaja izany ka dia noraisina ny fepetra hentitra handrarana ny fampidirana azy ireo sy ny fivezivezeny eto Madagasikara, hoy hatrany ny avy ao amin’ny minisiteran’ny fitaterana.


Nangonin’i RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Betsaka ny lesona

  • Saika hanatitra
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

kojakojan-dreniny

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

Hijery ny tohiny
FTT