Zazalahikely vao 12 taona monja no maty tsy tra-drano vokatry ny lozam-pifamoivoizana mahatsiravina tany Vohilengo, 6 km tsy hidirana ny tanànan’i Vavatenina ny sabotsy 25 novambra teo,
tokony ho tamin’ny 7 ora sy sasany maraina. Nialokaloka teo am-pototry ny hazo ampalibe iray teo an-tsisin-dalana izy no nisy fiara kamio kely marika Toyota nanavatsava ka niantefa teo am-pototr’ilay hazo, ary tery tao ny tenany, araka ny fanazavan’ny ny nanatri-maso. Nandriaka ny ra, potika tanteraka ny tapany ambany, tapatapaka ny tongony ary niseho avokoa ny taolana, ka nitarika hatrany amin’ny fahafatesany. Ny zoma hariva tokony ho tamin’ny 7 ora no niala tany Vavatenina nanatitra lodsia tany Toamasina io fiara io, ka tonga tany an-toerana tamin’ny 12 ora alina, raha ny fanampim-baovao azo. Niverina nankany Vavatenina indray ka izao tra-doza izao. Tsy fantatra mazava kosa hatreto na olana ara-teknika teo amin’ny fiara na vokatry ny harerahan’ny mpamily no nahatonga ny loza. Efa nandray an-tanana ny raharaha ny mpitandro ny filaminana.
Maro ny lesoka
Matetika isehoan’ny loza any amin’iny faritra Atsinanana iny rehefa fotoam-piotazana lodsia tahaka izao. Tsy vitsy ireo fiara entina mikarama mitatitra lodsia amin’ireo faritra maro mamokatra azy io any an-toerana. Olana ny haratsin’ny lalana amin’ny toerana sasany sy ny tsy fahafehezan’ny mpamily izany. Manampy trotraka ny mety ho olana ara-teknikan’ny fiara, izay natao hanenjehana ny taom-piotazana fotsiny ka rehefa mandeha dia izay no zava-dehibe. Ankoatra izay, miparitaka ny vola sandoka amin’izao noho ny fisian’ny fiotazana lodsia. Sarotra ny fanaraha-maso ny fifamevezen’ny vola satria maro rahateo ireo mpandraharaha midina an-tsehatra any an-toerana mampiasa vola amin’ity sehatra ity, ary mifangaro ao ireo mpanaparitaka vola sandoka. Ny 19 novambra teo izao dia lehilahy iray 40 taona, gadra voaheloka hanao asa an-terivozona mandritra ny 20 taona, tokony hamita sazy any am-ponja hatramin’ny 2028 no tompon’antoka. Gadra nandositra izy io, saingy tratry ny vela-pandrika. Rehefa natao ny fisavana dia nahatrarana 10 000 ariary hosoka miisa efatra tany aminy. Tratra ihany koa ny lehilahy 35 taona namany, ka sarona tao anaty sakaosiny ireo fitaovana fanamboarana vola sandoka. Ao Mangarano Toamasina no tena hiparitahan’ny vola sandoka, raha ny fanazavan’ny mpitandro ny filaminana, ka mila mailo hatrany.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.