Mbola mitohy hatrany ary hitan'ireo mpanaraka amin'ny alalan'ny fampahalalam-baovao maneran-tany ny fisiana halatra fiara raitra izay miroborobo fatratra any Eoropa ankehitriny.
Hamafisin'ireo gazety vahiny ireo fa tambajotrana mpangalatra matihanina mihitsy no ao ambadik'ity asa maloto ity ary mieli-patrana amina firenena maro. Anisan'ny voatondro ho mpandray izany ny eto Madagasikara satria misy eto ny rantsan'ireo andian'olona mpangalatra ireo. Voaporofo izany volana vitsy lasa izay nandritra ny fisavana an-dalambe nataon'ny polisy eto amintsika ny taratasina fiara marika BMW X16 tratra tany Toamasina satria taratasy tsy mitovy no hita tamin’ny « papier” sy ny “n° chassis”. Ao an-drenivohitr'i Betsimisaraka no ahitana io "Mafia Karana" io izay manao izany ho asa fivelomana, kanefa tsy misy fandraisana fanapahan-kevitra hentitra ho famaizana azy ataon'ny tompon'andraikitra, ka mampametra-panontaniana ny maro ihany. Raha izay ny zava-misy dia tena mahamenatra mihitsy satria ny firenena manontolo no voahoso-potaka ary heverin'ny mpanara-baovao any ivelany any amin'ny alalan'ny ny famoahana azy amin'ny gazety any aminy, fa tena fitobian'ireo halatra ireo ny eto amintsika. Mety tsy ho diso ny fomba fijerin'ireo mpandinika eto amintsika satria maro dia maro ireo fiara raitra sy lafo vidy (ana miliara) ireo ny miriorio eto an-drenivohitr’i Madagasikara sy any amin'ny renivohi-paritra hafa koa. Heverina fa efa mahafantatra io vaovao io ny Bianco izay sampandraharaha mpanao fanadihadiana lalina eto amintsika, saingy hatreto dia tsy mbola nanao fanambarana amin'ny fandraisana fepetra ny amin'izany izy. Ny hanahirana dia mety ho tonga eto Madagasikara mihitsy ny mpanao fanadihadiana avy any ivelany vao hikoropaka isika.
Nantsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.