Actualités

Fiara fitaterana mpiasa eny amin’ny Antenimieram-pirenena Tsy mihetsika intsony noho ny olana ara-tsolika


  • Alakamisy 03 Septambra 2015

Tsy afa-mihetsika manatanteraka ny asany intsony ireo fiarabe fitaterana mpiasa eny amin’ny Antenimieram-pirenena eny Tsimbazaza noho ny olana ara-tsolika.

 

 Samy manao izay ho afany amin’ny famonjena fodiana, araka izany, ireo mpiasa tsotra eny amin’ity andrim-panjakana ity fa rehefa misy ilan’ny lehibe azy ihany vao mihetsika ireo fiara ireo ankehitriny. Raha nanontaniana moa ny depiote tompon’andraikitry ny fandraharahana eny an-toerana dia nanambara mazava fa tsy misy azo atao fa samy tsy nahazo taratasin-tsolika hatreto ny rehetra na ny depiote na ireo mpandraharaha ka dia mijanona eo vonjimaika aloha ireo. Avy amin’ny feo hafa heno teny an-toerana kosa no nahalalana fa tamin’ny fitondran’ity filoha farany ity ihany hatramin’izay no nisy fitrangan-javatra tahaka izao.

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

  • GĂ©rard Ramamimampionona
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Milaza hoe te hanavao izao ny

  • Afera sinoa 11,
  • Talata 27 Oktobra 2026

olona ambony voatonona

  • Tale mpanatanteraky
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny ONTM vaovao

  • FIZAHANTANY MATIHANINA
  • Talata 27 Oktobra 2026

Tompon’andraikitra maromaro

  • MALOTO
  • Talata 27 Oktobra 2026

NY RIVOTRA ETO ANTANANARIVO

Hijery ny tohiny
FTT