Actualités

Fiara 4x4 Efa tonga eto amintsika ny Hyundai IX35


  • Alarobia 16 Jona 2010

Hika faran’ny orinasa Hyundai ny Fiara 4x4, IX35. Misy maodely 2 izy dia ny mandeha amin’ny lasantsy 2L 166cv sy ny diesel 2L 177 cv. Ny lafiny fiarovana no tena heriny.

Efa tonga eto amintsika ity fiara tsy mataho-dalana ity ary ny orinasa Sicam no mivarotra azy. Amin’izao fankalazana ny fetin’ny ray izao dia misy ny hetsika manokana karakarain’ny Sicam amin’ny alalan’ny fanehoana ankalamanjana ny hakantony sy ny tanjany etsy amin’ny jumbo Score Ankorondrano ny zoma 18 ka hatramin’ny 20 jona. Paikady ara-barotra handresena lahatra ny fianakaviana hividy ka hanao azy ho fanomezana ho an’ireo raim-pianakaviana noho io fotoan-dehibe io izany. Ireo tanora Malagasy tompon’andraikitra ambony amin’ny orinasa izay  manana fahefa-mividy ambonimbony no tena kendrena aminy. 70 tapitrisa Ariary moa no vidiny.

Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT