Actualités

Fiantraikan’ny krizy Mijaly hatramin’ny mpitsabo


  • Alarobia 27 Oktobra 2010

«Fanomezan-danja ny fanofanana dokotera», no teny nanainga ny Fikambanan’ny mpitsabo matihanina sy ny holafitry ny dokotera tao Toamasina, nanao ny «salon de la médecine» izay notontosaina tao amin’ny trano fisakafoanana «Le Bateau Ivre» ny faran’ny herinandro teo.

Tranoheva am-polony avy amin’ireo trano mpamokatra fanafody malagasy sy vahiny ary fitaovam-pitsaboana samihafa, no nampiranty ny nampiavaka sy ny vokatra vokariny tamin’ireo mpitsabo sy izay liana. Nambaran’ny Dr Nestor Ratiarison filohan’ny holafitry ny dokotera (CROM) ao Toamasina fa tena ilain’ny mpitsabo ny fanitarana sy fampitomboana traikefa amin’ny alalan’ny fanofanana azy ireo. Efa hiarahana mahalala raha teo fa mivoatra ny fitsaboana maneran-tany, mivoatra manaraka izany koa ny aretina sy ny fanoherany fanafody. Velon-taraina noho ny krizy politika mitarazoka ny dokotera ao Toamasina, fa misy fiantraikany betsaka amin’ny asany izany, nolazain’ny filohan’ny Crom Dr Nestor Ratiarison fa tena mahantra ny Malagasy ankehitriny, tsy mahavita mamonjy mpitsabo intsony, na mamonjy aza dia betsaka ny miady varotra amin’ny fizahana marary efa napetraka, manginy fotsiny ireo mangataka fitrosana noho ny fitsaboana tsy maintsy ataon’ny marary, nohamafisin’ity filohan’ny Crom Toamasina ihany koa anefa fa mitondra vokatra ratsy ho an’ny fahasalamam-bahoaka izao fahantrana lalim-paka aminy izao, satria ho betsaka ireo marary hanao dokotera tena sy hividy fanafody mora vidy an-tsena sy an-tsisin-dalana. Ireo tena marary ka tsy maintsy mitsabo tena koa anefa tsy hahavita hatramin’ny farany ny fitsaboana ka mety hahatonga fiantraikany ratsy ihany koa.

Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT