Actualités

Fiantohana Tsy mbola laharam-pahamehana ho an’ny Malagasy


  • Alatsinainy 26 Febroary 2018

Maivana ny fiantohana eto Madagasikara satria betsaka no tsy mahalala ny tombontsoa azo avy amin’ny fiantohana.

 Mbola sahirana amin’ny fiainana andavanandro rahateo ny Malagasy ka tsy tafiditra ao anatin’ny fiainan’ny tsirairay ny manao fiantohana afa-tsy ny teren’ny lalàna toy ny fiantohana fiarakodia. “Tsy mbola laharam-pahamehana ho an’ny Malagasy izany kanefa maro no tombontsoa aterany ary ny aina no voalohany arovana”, hoy Rtoa Tiana Ramparana, mpandrindra nasionaly ny fampindramam-bola nasionaly tsy manavaka. Kanefa mbola lavitra mihitsy raha ity sehatra ity ary mbola be ny ezaka tokony hatao hanomezan-danja amin’ny  fandraharahana ara-bola eto amintsika. Araka ny fanazavany, hatramin’izay ny fampidramam-bola ihany no fantatry ny mpanjifa rehefa miresaka fandraharahana ara-bola kanefa tafiditra ao koa ny fiantohana, ny tahiry ary ny kirakira sora-bola.

Mampitombo harinkarena faobe

Atao ho an’ny sokajin’olona rehetra sy sokajin’asa rehetra ny fiantohana fa tsy natokana ho an’ireo manan-katao ihany. Maro ireo karazam-piantohana indrindra ho an’ny tantsaha izay mahatratra 80% ny Malagasy.  Rehefa sendra ny loza toy ny vokatry ny rivodoza na ravan’ny valala ny vokatra dia misy ny fiantohana ny fambolena mba tsy ho tanam-polo sisa no raisina. Tsy fahazarana ho an’ny Malagasy ihany koa ny manao fiantohana na dia efa manomboka be mpahafantatra ny fiantohana ho an’ny fahasalamana izay mitombo isa ireo maka an’izany isan-taona. Tsy ny fiarovana ny aina ihany anefa no tombontsoa azo amin’ny fiantohana fa mampandroso ny firenena ihany koa amin’ny fampihodinana ny harinkarena faobe toy ireo tany mandroso izay mahatratra hatramin’ny 15% amin’ny harinkarena faobe ny fiantohana. 


Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT