Nahatsiaro manokana an-dRaoul (Raosolosolofo Razafindranoa) tao amin’ny tarika Mahaleo ihany koa ny vahoaka mpitolona tao amin’ny kianjan’ny Magro Behoririka omaly alarobia 8 septambra.
Tsy fahanginana iray minitra toy ny mahazatra anefa no nentina nahatsiarovana ity andrarezin’ny hira vokatry ny tany ity fa ny fihainoana ny hirany anankiray anisan’ny noforoniny faramparany izay toa maneho tanteraka ny sarin’ny fiainana iainantsika ankehitriny. "Mandady ny trambo, avelao ny hambo... Miezaha mifankatia fa tsy hisy ho afa-bela raha samy miziriziry, hifandratra hangirifiry". Nahoraka ihany koa anefa teny amin’ity kianja ity ny akon’ny zava-niseho teny amin’ny fiandrasana ny nofo mangatsiakan-dRaoul teny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina ny alin’ny talata 7 septambra. Trangan-javatra tsy mba ho henonao amin’ny haino aman-jerim-panjakana sy ny gazety sasantsasany mpomba ny fitondrana FAT sy ireo matahotra ka mitandrin-tena no niseho teny an-toerana tamin’io alina io. Nahazo siotsioka sy horakoraka tamin’ny mpanotrona tao amin’ity Lapa ity ireo ministra sy mpikambana amin’ny HAT tonga nanefa ny adidiny farany tao. Anisan’izany ny mpiray fiaviana amin-dRatompokolahy toy ny ministra Organès Rakotomihantarizaka sy Christine Razanamahasoa izay saika tsy nahita ny hanolorana ny valopy nisy ny solon-dranom-bary tsy masaka noho ny fipenimpenenana. Tahaka izany koa ny ministra Serge Ranaivo niaraka tamin’ny HAT Alain Ramaroson nitsirepirepy nitady ny lalan-kivoahana niaraka tamin’ireo miaramila mpiambina ihany koa.
Dia nahazo ny sahaza azy, hoy ny fiteny tamin’ny horakoraka tsy nifandrenesana sy ny siotsioka voalaza teo niaraka tamin’ny teny maharary samihafa ireo mpikambana vitsivitsy ao amin’ny governemanta FAT notarihan’ny ministra jeneraly Hippolyte Ramaroson. Efa toe-javatra nahazo ny praiministra Camille Vital tamin’ny famaranana ny lalao basikety iraisam-pirenena farany teo tao amin’ity Lapa ity ihany ity niseho ity ka angamba noho izany no tsy nitarihany ny delegasiona, hoy ny mpanara-baovao. Tsy nijanona moa ny tabataba raha tsy niakatra ny lampihazo i Dama nampitony ny rehetra tamin’ny filazana fa antsika rehetra Raoul ary izy no ahatongavana eto ka miangavy antsika mba ho tony.
Dia izay vao nandimby ny horakoraka sy siotsioka ny tehaka nirefodrefotra, nefa niverina indray izany tany aorian’ny mamatonalina tany rehefa nisaotra ny rehetra nanotrona ny fianakaviana fa andeha hamonjy fodiana hiala sasatra kely ka nisaotra indray tany amin’ny farany ny fitondrana FAT. Rehefa nozohiana dia tazana fa ireo zatovo voataizan-dry Raoul tamin’ny sangan’asany toy ny tany Tanambao V Toamasina ireo tena nihorakoraka ireo. Dia ilay nolazainy tao anaty tononkira fa ireo voan’ny “tsindry hazo lena” noho ny nafitsok’ireo “misehoseho mihevi-tena ho Fariseo”. Ka “sao dia ataon’ela hoe mamolava letsy aho” izy ireo ? “Tsia leitsy !” bandin’ny tanàna anisan’ireo tsy be teny hatrizay izy ireo. Raha mbola afaka niarina avy ao anatin’ny tranovorona nisy azy teo Raoul, hoy ny eritreritr’ity namana iray, dia angamba tsy maintsy niventy tamin’ny feo avo ny hoe. “Mihodinkodina leitsy zandry ity tanintsika ity” ka aoka tsy ho hitako eto ny fifandirana hampangirifiry fa aleo aho “andeha vetivety”. Ka “ajanony ny haza lambo...” Fa sao “efa tara loatra...vao misaina”. Antsirabe toerana niforonan’ny tarika Mahaleo tamin’ny taona 1972 no nitsena am-boninahitra ny nofo mangatsiakan-dRaoul omaly alina ary hanainga hoentina any Ambatofinandrahana tanindrazany izy anio alakamisy 9 septambra.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.