Noho ny tsy fandriampahalemana amin’ny fitombon’ny asan-jiolahy mpamaky trano sy toeram-pivarotana any Fianarantsoa dia natsangan’ny fikambanan’ny terak’Imady ny « Imady TSinaimbalala TOkana » na ITSITO.
Efa nody ventiny sahady ny rano nantsakaina fa voasambotr’izy ireo noho ny fiaraha-miasa amin’ny olon-tsotra nanome vaovao marina ny sasany tamin’ireo jiolahy. Saika olona avy any Imady avokoa moa ny mpivarotra any an-toerana no nahatonga ny fanapahan-kevitra. Tamin’ny alin’ny zoma 3 aprily hifoha sabotsy teo no fanafihana farany nataon’ireo jiolahy tao amin’ny toeram-pivarotana tao amin’ny boriborintanin’Ambanilanana fokontanin’Amboaloboka. Mbola tsaboina eny amin’ny hopitaliben’i Tambohobe hatramin’izao ny raim-pianakaviana iray naratra mafy noho ny fanafihana nahatrarana ny sasany tamin’ireto tratra. Marihina nisy renim-pianakaviana iray nitondra vohoka niara-naratra taminy. Natolotra ny mpitandro ny filaminana avy hatrany ireo jiolahy. Nanao antso avo ny filohan’ny ITSITO, Ralaizandry Adoré ny hampiharana amin’izy ireo ny lalàna velona mba hisorohana amin’izay mety ho valifaty.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.