Nirefodrefotra ny basy tao Antarandolo Fianarantsoa sy ny manodidina halina. Mpamongady zava-pisotro iray ao Antarandolo no notafihin’andian-jiolahy mitam-basy omaly tamin’ny fiafaran’ny tolakandro
. Dimy lahy izy ireo. Vola tamin’ny gony no noraofin-dry zalahy. Lehilahy iray no voatifitr’ireo jiolahy teo amin’ny sorony ka maratra mafy miady amin’ny fahafatesana, tsaboina ao amin’ny hopitalibe Tambohobe. Nisy bala tavela tao aminy. Roso tamin’ny fanenjehana ireo olon-dratsy ny polisy vao nahazo fampandrenesana. Nifamaliana ny tifitra, ary tsy an-kitsitsy. Naratra tamin’izany ny komandin’ny GIR (Groupement d’Intervention de la Police) Fianarantsoa, niantefan’ny bala ny tongony. «Efa mahazo fitsaboana izy ary tsy misy ahiana ny ainy», hoy ny Kaomisera Jules, komandin’ny FIP (Force d’Intervention de la Police) Fianarantsoa. Olona enina no voasambotra hatramin’ny folo ora alina, ka vehivavy ny roa tamin’ireo. Mbola mitohy ny fikarohana ireo namany, miaraka amin’ny vola be.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.