Manana ny zony feno ny mpampiantra ety amin’ny oniversite na hampianatra izy na mbola hanohy ny fitakiany.
Io raha fehezina ny hevi-dehibe navoitran’ny Pr Panja Ramanoelina, filohan’ny oniversiten’Antananarivo raha nihaona tamin’ny mpanao gazety ny tenany omaly. Ankoatra izay dia nanao ireo tatitra samihafa momba ny fitantanan-draharaha eny anivon’ny oniversite izay notapahina tany amin’ny fivorian’ny Copries, nataon’ireo filohan’ny oniversite sy ivonteram-panjakana tany Foulpointe farany teo izy.
Momba ny fisamborana an’i Jean Pierre Randrianamboarina dia fantatra fa nametraka fitoriana ny zandarimariam-pirenena eny amin’ny Fitsarana ireo mpampianatra ao amin’ny Seces. Marihina fa hihaona amin’ny mpianatra indray izy ireo anio hifanakalozam-baovao.
Andry Ratovo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.