Very an-javony ny ran’ny havanay latsaka tamin’ny fiarovana ny vahoaka sy ny tanindrazana, hoy ny fianakavian’ny zandary iray antsoina hoe Rajaonarivelo Anjarasoa,
lavon’ny balan’ny dahalo niaraka tamina miaramila iray tany Ambatofotsy ferme, Bemahatazana Tsiroanomandidy ny alin’ny 9 aprily hifoha 10 aprily 2017. Dahalo am-polony nitondra basy FC maromaro no nangalatra omby miisa 60 tao amin’io tanàna io, ka raha vao nandre ny antso vonjin'ny mponina ireo zandary 4 sy ny miaramila 01 tao an-tanànan'Ambatofotsy, dia nandray andraikitra avy hatrany. Nikasa hanakan-dalana ireo dahalo teo amin'ny kizo iray izy ireo tokony ho tamin'ny 1 ora alina, kanefa tifitra variraraka no niandry azy satria efa nisy dahalo hafa niandry ireo namany handalo ihany koa teo, kanefa tsy tazana noho ny haizina, ary teo no nahalavo io zandary io, izy nahitana diam-bala 6. Miisa 4 kosa ireo voasambotra taorian’izay, ary ny 2 dia isan’ireo nitifitra mihitsy. Ireo no nanondro ny tompon’ny basy nampiasaina, izay nosamborina, saingy efa nahazo fahafahana, raha ny fampitam-baovaon’ny havan’ny maty. Rehefa nandeha ny fitsarana, dia nivadika ho vavolombelon’ny resaka halatra omby indray ny renin’io zandary io kanefa tsy niatrika ny zava-misy akory, ary na ny rahalahin’ny maty isan’ny naka ny razana tany Tsiroanomandidy aza, dia toa nofeperana ny zavatra nolazainy nandritra ny fitsarana, raha fanazavana nomeny. Manahy ny fianakavian’ny maty ankehitriny, fa mety nisy ny resaka kolikoly tany ho any. Isan’ny tena tsy matin’izy ireo lolo ny fahafahan’ilay voalaza ho tompon’ny basy. Mangataka ny hanokafana fanadihadiana vaovao noho izany ny fianakavian’ny zandary Rajaorivelo Anjarasoa, mba tsy ho very maina ny ain’io havany lavo am-perinasa vokatry ny fanompoana tanindrazana io.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.