Rovitra ny kitapom-bolan’ny faritra Vakinankaratra hanakaramana Emmoreg hiambina ny orinasa AAA-Tiko Andranomanelatra tsy hisokatra.
Handaniana 15 000Ar isan’olona isan’andro izany kanefa misolosolo ihany koa ireo ekipa na andro na alina. Manginy fotsiny ny solika, izay mahatratra 250 000Ar ho an’ireo fiara ampiasaina. Mbola misy 20km eo ho eo mantsy no elanelan’Andranomanelatra sy Antsirabe Renivohitra. Tsikaritra ho tsy dia mifankahazo ny eo anivon’ny Faritra sy ny Prefektiora amin’ity raharaha ity satria ahilika any amin’ny faritra ny fandaniana, raha ny fanadihadiana natao. Volabe no laniana hoenti-migafy sy manao antsojay amin’ny orinasa AAA-Tiko, ka raha kotiana tsotsotra ny lany ao anatin’ny iray volana dia 7 500 000Ar ny sandan’ny solika. Omena tambin-karama 15 000Ar isan’andro ny mpitandro filaminana iray, ka raha 10 isan’andro ohatra no ampiasaina dia 4 500 000Ar no lany hatao tambin-karama fotsiny anatin’ny iray volana. Aiza moa no hisy fampandrosoana vanona, fa dia ny vola tokony haompana amin’izany homena mpitandro ny filaminana hisompatra ny mpiray tanindrazana. Vitan’ny fanjakana HVM ny mandany volabe hanakatona orinasa mamelona Malagasy an’arivony noho ny lonilony politika. Tsy ananany kosa ny politikan’ny fampananan’asa, ka sady tsy vahaolana ho an’ny firenena no mbola mijoro ho fahavalom-bahoaka. Tsy hay na mbola olombelona manam-panahy ihany no mitondra eto na dia olona efa tena maty eritreritra.
Mbola mandeha ny raharaham-pitsarana isan-karazany momba ny orinasa AAA-Tiko amin’izao fotoana izao, hoy ny mpisolovava Norosoa Raharimalala tamin’ny fakam-bavaovao natao taminy momba ny fizotry ny raharaham-pitsarana amin’izao fotoana. Didy iray hatreto no nivoaka omaly 23 febroary tany Antsirabe momba ny fitorian’ny orinasa Jirama sy ny fangatahany ny hanesorana ny kaontera, saingy nilaza ho tsy nahefa ny tribonaly momba izay raharaha izay.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.