Voaporofon’ny Sempama Atsinanana na dia manda ny fisiany aza ny eo anivon’ny DREN atsinanana, ny fisian’ireo tsy mpampianatra sy tsy mpanabe akory amin’ny fiambenana mandritra ny fanadinam-panjakana nifanesy, indrindra ny teo amin’ny BEPC sy ny BACC hanomboka anio.
Mpiasa teo anivon’ny DREN atsinanana no nasaina nitady olona hafa tsy mpampianatra akory nefa vonona hanao fiambenana fanadinana, araka ny fanazavana nangonina. Ny eo anivon’ny DREN atsinanana no manamboatra ny taratasy ilazana fa mpampianatra am-perinasa ilay olona vonona hanao izany. Ankilan’ireo olona tsy mpampianatra ireo, dia tambazana vola koa ireo mpampianatra kely karama amin’ny sekoly tsy miankina madinika mikasika ihany ity fiambenana fanadinana ity. Ankoatra izany dia fantatra fa efa tafapetraka eny anivon’ny Bianco Toamasina ihany koa ny fitoriana nataon’ireto Sempama atsinanana ireto, mikasika ilay famenoana ny valiny nataona mpampianatra iray nandritra ny adina matematika tamin’ny BEPC farany teo. Nanda mafy ny fisian’izy io ny DREN ary nilaza fa mpanely tsaho sy mpanakorontana ny Sempama raha tsy nahasakana ny fizotry ny fanadinam-panjakana nitranga.
Manana porofo mazava sy mitohoka amin’ny tendany anefa ireto avy amin’ny Sempama, araka ny nambaran’izy ireo. Ireo mpianatra nandika fotsiny ny valiny tao anatin’ilay toeram-panadinana no tsy nahatam-bava ka nivoahan’izao resaka izao sy ny porofo ara-taratasy ihany koa mikasika ny valin’ilay matematika nasaina nadikan’ny mpiadina. Ny Bianco Toamasina ihany koa tsy fantatra na hanitatra ny fanadihadiana na hianona fotsiny koa fa tsaho sy lainga ary tsy mitombina ny fitorian’ireto Sempama atsinanana ireto, noho izy ireo heverina fa “fahavalom-panadinana”. Ankoatra izay, vita ny sabotsy teo ny fitsarana ny fanadinana BEPC. Miditra amin’ny fandikana ny naoty anaty solosaina izy ireo manomboka anio, ary heverina fa ny alakamisy hariva izao no hivoaka ny valin’ny fanadinana BEPC 2012 ho an’i Toamasina renivohitra raha ny alakamisy maraina no hanapahana ny naoty heverina hanafahana ny mpiadina.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.