Actualités

Fialantsasatra tambabe Manamaivana ny fandaniana ho an’ny mpitsangantsangana


  • Alarobia 01 Septambra 2010

Ao anatin’ny vanim-potoana maha betsaka ny mpiala sasatra amin’izao fotoana. Ho an’ny mponina eto an-drenivohitra manana ny fahefamividy hanatanteraka izany dia lasa fahazarana mba tsy hilazana hoe lasa lamaody ny fihazoana ny tanŕna moron-dranomasina ka i Mahajanga any andrefana sy Foulpointe any Atsinanana no tena be mpisafidy indrindra.

Olana mateti-pitranga ho an’ny mpitsangantsangana raha tsy manao famandrihana mialoha ny fitadiavana efitrano fatoriana amin’ny toerana handehanany izay saika efa feno avokoa. Misy anefa amin’izao fotoana ny olon-tsotra sy orinasa madinika nahay nanararaotra izay zava-misy izay amin’ny alalan’ny fikarakarana fialantsasatra tambabe izay tena manampy tokoa ny mpitsangantsangana. Iray amin’ireny Raharitsifa Andry. Izy avokoa no mandamina ny fiara handehanana, miantoka ny sakafo sy ny efitrano fatoriana any an-toerana ka iray hetsy isan’olona no sarany alainy mandritra ny fivahiniana 3 andro raha mankany Foulpointe, iray alina sy iray hetsy ariary kosa ny any Mahajanga . Miampy 2 alina isan’andro ny vola aloa raha mbola mitohy ny dia. Rehefa feno  14 na 28 ny isan’ny mpitsangantsangana dia misy ny fiaingana.

«Telo andro farafahakeliny ary dimy andro kosa ny fetrandro ijanonana amin’ny tanàna aleha saingy tsy tafiditra anatin’ilay vola aloa kosa izay mety fandanian’ny mpandeha eny an-dalana toy ny sakafony, ohatra», hoy Raharitsifa Andry. Raha ny fanazavany dia i Foulpointe amin’ izao fiandohan’ny septambra izao no be mpisafidy raha Mahajanga nandritra iny Aogositra iny. «Ankoatra ny maha akaiky ny renivohitra an’i Foulpointe dia mahasarika ny mpitsangantsangana koa ny torapasiny izay metatra vitsy monja miala ny tanàna no sady efa tsara koa ny andro any». Amin’ny ankapobeny dia saika efa feno avokoa ny toerana ho an’ny dia omanin-dRaharitsifa mandritra ny volana septambra amin’ireo tanàna roa ireo afa tsy vitsy dia vitsy sisa. Raha ampitahaina amin’ny saran-dalana sy ny hofan’ny fandriambahiny dia azo atao tsara ny tolotra omen’ireo mpikarakara fitsangantsanganana. Fahaizana mifampiresaka amin’ny tompona fiara sy fandraisam-bahiny ary fitondrana mpahandro manokana no nolazainy fa mampihena ny fandaniana ka ahazoany tombony.

 
Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT