Actualités

Fialantsasatra Hafana ny Star tour any Mahajanga


  • Alatsinainy 05 Aogositra 2019

Hafana tanteraka indray ny fialantsasatra lehibe ao an-drenivohitr’i Boeny amin’ity taona 2019 ity. Hotontosaina any an-toerana indray mantsy ny Star tour izay hiarahan’ny orinasa sy ny kaominina ambonivohitr’i Mahajanga, hetsika laharana fahatelo amin’izao.

 

 

 Ny 16 ka hatramin’ny 18 aogositra ho avy izao no hanatanterahana izany  ka eny amin’ny “bord” no fotoana isan’andro mandrapahatapitry ny hetsika. Ankoatra ny seho an-tsehatra sy ny kilalao maro samihafa dia  hanararaotana indrindra mba hanandramana ireo tsiro vaovaon’ny zava-pisotro vokarin’ny orinasa  star toy  ny Caprice Letchi-Citrus, na ny Caprice Cola ihany koa ny  mpanjifa ankoatra ireo vokatra hafa. Mpanakanto malaza marobe toa an-dry Dalvis, Jaojoby, Big MJ no hanafana sy fotoana mandritra izany ankoatra ny fanentanana hataon’ireo dj samihafa toa an’i Dj Eloi… Arahina asa soa hanampiana ireo mpiarabelona tena sahirana ao Mahajanga  raha araka ny fanazavan’ny avy eo anivon’ny orinasa Star mba ny rehetra no higoka ny tombontsoa azo avy amin’izany. Tsy misy atahorana ny fandriampahalemana mba hahafahan’ny rehetra miara-mialavoly. Hisy ny toerana hahafahan’ny ankizikely mialavoly manokana, hetsika izay hofaranana amin’ny asa fanadiovana lehibe ho mariky ny fiarovana ny tontolo iainana.

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fandaharam-pirenena
  • Talata 20 Oktobra 2026

momba ny fanatanjahantena

  • Jhona Iberanandrasana
  • Talata 20 Oktobra 2026

- MRM

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

  • Nanome
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fahazoan-dalana tsy ara-dalàna

Hijery ny tohiny
FTT