Hampiharina manomboka amin’ny taona 2018 ho avy io ny fiakaran’ny vidin-jiro eo anivon’ny orinasa JIRAMA, araka ny drafitra fanarenana ny orinasa izay voasoritra ao anatin’ny lalàna vaovao hifehy ny famatsiana ny herinaratra eto amintsika.
Ireo mpanjifa vaventy no tena hiharan’io fampiakarana io, hoy Atoa Lanto Rasoloelison minisitry ny angovo sy ny rano ary ny akoran’afo tamin’ny mpanao gazety, omaly. Mijanona ho 141 Ar hatrany kosa ny 1 kwh ho an’ny mpanjifa tsotra izay tsy hijanona eto an-drenivohitra ihany. Hiaina ao anatin’izany ihany koa ireo mpanjifa any ambanivohitra hatramin’ny taona 2030 ka hisy ny famatsiana herinaratra ho an’ireo tsy manana. Tsy adinon’ny minisitra ny nanazava mikasika ilay feo mandefa fa nandroaka mpiasa be dia be ny orinasa JIRAMA. Nomarihiny manokana fa mpiasa iray ihany no voaroaka.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.