Actualités

Fiakaran’ny vidin’entana Efa 2.000 Ariary ny kilaon’ny vary ao Toamasina


  • Alatsinainy 16 Martsa 2015

Mitatao ny loza ao Toamasina fa hanomboka tsy ho zakan’ny tetibolan’ny tokantrano maro ny fiakarana eo amin’ny vidin’entana ilaina amin’ny fiainana andavanandro, indrindra ny vidin’ny vary. Raha ny herinandro nivalona iny dia efa nahatratra 2.000 ariary ny iray kilao amin’ny vary makalioka teo amin’ny tsena

 

madinika iainan’ny olona eny an-dalam-pasika eny, tsy mahazo iray kapoaka ihany koa izao raha tsy 600 ariary amin’ity makalioka ity, raha mbola 1.400 ariary ny iray kilao, herinandro lasa izay. Ho an’ireo miantsena amin’ireo tranombarotra goavana ao Toamasina kosa dia mbola vidiana 1.800 ariary na 1.900 ariary ny iray kilao amin’ny makalioka io, raha nahitana fiakarana 200 hatramin’ny 400 ariary koa ny vary nohafarana “stock tampon” izay 1.400 hatramin’ny 1.800 ariary ny kilao arakaraka ny hatsarany sy ny firenena aziatika niaviany. Ho an-dRtoa Berthine dia “tsy misy intsony ny azo atao fa zava-misy iainana io, satria samy manararaotra ny olana ara-politika sy ny loza voajanahary misy ny rehetra. Ny azo atao dia ny manena ny fatram-bary hanina isan-tokantrano mba hahafahana mifehy ny vola raisina ho iray volana, araka ny mahazatra ihany”. Ho an’ireo mpivaro-bary kosa dia ny fihenan’ny fahefa-mividin’ny mpanjifa no tsikaritr’izy ireo. Araka ny fanazavana, raha mividy 30kg isan-kerinandro ny mpanjifa izao dia tsy mividy afa-tsy 15 na 20kg kosa izany izao. Eo ary ireo tsy mividy afa tsy iray kilao na iray kapoaka isaky ny hihinana. Misy aza, araka ny voalazan’ity mpivarotra iray izay tena ontsa ny fony, nilaza ny zavatra hita, dia renim-pianakaviana nividy vary tapaky ny kapoaka amin’izay mbola vary “stock tampon”.

 

Rakoutou

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • LalĂ na mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT