Tsy misy izay tsy mikolay amin’ny fiakaran’ny vidim-piainana ankehitriny ny isam-baravarana.
Niainga tamin’ny vary sy ireo kojakoja fampiasana amin’ny fiainana andavanandro izany. Mitohy hatrany amin’ny legioma sy ny arina fandrehitra... Ho an-dRamamimampionona Gérard, mpandinika fiarahamonina manokana dia vokatry ny toe-tsaina sy ny fitavozavozan’ny fanjakana amin’ny andraikitra tokony horaisiny no mahatonga izany. Toe-tsaina satria vao niakatra 7 % ny karaman’ny mpiasam-panjakana dia niakatra koa ny vidim-piainana nefa tsy mahatratra 14 %-n’ny Malagasy akory izy ireo. Lasa fatiantoka ho an’ny Malagasy rehetra ny fampiakarana lava ny karaman’ny mpiasam-panjakana. Toe-tsaina ihany koa satria raha vao tsy nisy ny ranon’orana teto amintsika dia nanararaotra nampiakatra ny vidin’entany avokoa ny mpivarotra bidon. Mila mandray andraikitra ny fanjakana, anisan’ireny ny fametrahana lalàna hifampifehezana izay tsy mbola misy mihitsy eto amintsika. Nomarihiny manokana fa matoa ny olona iray tonga eo amin’ny fitantanana ny firenena dia efa manana vahaolana mialoha amin’ireo karazana trangan-javatra misy izy izay fa tsy hiandry ny zavatra hipoitra vao hitady vahaolana vonjimaika.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.