Nanapa-kevitra ny filankevitry ny governemanta manokana notanterahana omaly maraina teny Mahazoarivo fa hahazo ilay vola fanampiana ny mpitatitra miisa 6 305 ao anatina kaoperativa 156 manerana an’i Madagasikara.
Vola fanampiana ho an’ny volana novambra sy desambra 2016 ireto hozaraina amin’ny sabotsy 4 febroary ireto. Tsy hahazo an’io fanampiana io kosa ireo mpitatitra (Taksibe) nampiakatra ny saran-dalana ho 500 Ar nanomboka omaly alarobia 1 febroary. Mbola nampatsiahy ihany koa ny governemanta fa tokony hiresaka ka hifanaraka isam-bolana amin’ny famerana ny vidin’ny solika farany ambony ireo kaompanian-tsolika eto Madagasikara sy ny OMH. Karohana ny vahaolana ho an’ny tombontsoan’ny daholobe, hoy hatrany ny tatitry ny filankevitry ny governemanta satria iankinan’ny fiainam-pirenena mihitsy ity resaka solika ity. Ireo renivohi-paritany 6 miampy ny tanànan’Antsirabe moa no voakasik’ilay vola fanampiana ho an’ny mpitatitra, tetikasa natomboka tamin’ny 2015. Niato kely ny enim-bolana voalohan’ny 2016 ary nitohy indray ny jolay 2016. Nisy olana anefa ny fandoavana ny vola noho ny fahalainan’ireo mpitatitra hanaraka ny fandaminana, hoy ny avy ao amin’ny governemanta.11 611 776 000 ariary ny vola natokan’ny fanjakana hanampiana ny mpitatitra mba tsy hampisondrotana ny saran-dalana, fa ireo izay efa nampihatra ny 500 ariary aloha izany dia efa tsy tafiditra ao anaty kaonty.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.