Actualités

Fiakaran’ny saran-dalan’ny Taksibe Fambara loza ireny teny Ankatso ireny


  • Zoma 26 Oktobra 2012

Herinandro sisa dia ho tonga ny datin’ny 01 novambra 2012 nofaritan’ny fikambanan’ny mpitatitra an-drenivohitra fa hampakaran-dry zareo ny saran-dalana amin’ny taksibe ho 400 Ariary tsy misy tapa-dalana.

 Tao anatin’ny fotoana efa naharitraritra ihany izay dia tazan’ny mpandeha teny amin’ireny zotra samihafa ireny ny taratasy milaza izany. Betsaka ny adihevitra niseho tao anatin’ireny zotram-pitaterana ireny tao anatin’izay fotoana izay na dia tsy tena naneho nivantana tamin’ireo saofera sy resevera ny heviny aza ny mpandeha. Ny tsapa anefa dia samy mikomy anaty ny rehetra rehefa miresaka ity trangan-javatra ity.

Nahoana tokoa moa, hoy ny sasany, no himenomenona rehefa mba ny Taksibe no hanondrotra saran-dalana nefa rehefa entana hafa toy ny vary, menaka sy ny ilaina amin’ny fiainana andavanandro no misondro-bidy dia manaiky ihany ny rehetra ? Nahoana kosa, hoy ny hafa no tsy maintsy hasondrotra ity saran-dalana ity nefa amin’ireo taksibe mandeha aza mbola misy ny tsy mitondra mpandeha afa-tsy 4/4 ny seza ? Mbola mahazo tombony izy ireo izany, hoy ny feo heno. Tsy mba mahay maka lesona tamin’ny zava-nitranga taloha mihitsy ve ity fitondrana ity, hoy ny hafa fa efa nanimba zavatra maro anie ny tahaka izao ê !

Jereo fotsiny ny nitranga teny Ankatso afak’omaly ireny. Efa fantatr’ireo minisitra sy CST na CT sy tompon’andraikitra hafa efa nandalo teny amin’ity oniversite ity fa ny mpianatra dia tsy mitovy amin’ny mpiasa mandray vola ara-dalàna fa vatsim-pianarana kely tsy mahavita antsasaky ny herinandro andraisana azy akory no hangalana saran-dalana ary dia efa nanohitra ny fisondrotana hatrany ry zareo hatramin’izay nisian’ny zotra nankeny izay. Izay tsy mba nandalo teny ve moa azo homena tsiny amin’izay fanapahan-kevitra ho raisiny fa dia ireny afak’omaly ireny ny vokany voalohany. Manahy, araka izany, ny amin’ny mety hisian’ny trangam-piarahamonina hafa hiseho amin’ity resaka sarandalan’ny fiara fitaterana an-drenivohitra ity ny mponina. Dia eo isika mahita izy !

Manohy 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT