Manambara ankehitriny ny birao nasionaly mandrindra ny loza voajanahary fa atahorana ny hiparitahan’ny areti-mifindra toy ny aretin-kibo sy ny tazo eto Antananarivo noho ny afitsoky ny rano miakatra sy ny loto
. Any Amin’ny faritra Alaotra Mangoro dia voalaza fa ny kolera sy ny pesta no atahorana hirongatra. Ny Fiparitahan’ny fako tsy voavory dia hanamora tokoa ny fihanahan’ireo aretin-dratsy ireo, voakasik’izany koa Antananarivo. Fa ny tena atahorana dia ny toe-pahasalaman’ireo traboina izay efa reraka sy tsy ampy sakafo. Raha any amin’ireny toerana fonenan’izy ireo ireny no tratran’ny areti-mifindra dia tsy ho hita pesipesenina ny fahavoazana. Vao mainka moa fa hatao ao anaty toerana iray ny traboina 24 000. Azo antoka fa ho teritery izany toerana izany noho ny hamaroan’ny olona ka dia ho mora ny fifindran’ny mikraoba.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.