Actualités

Fiakaran’ny rano miampy fako Atahorana ny kolera


  • Alatsinainy 09 Martsa 2015

Manambara ankehitriny ny birao nasionaly mandrindra ny loza voajanahary fa atahorana ny hiparitahan’ny areti-mifindra toy ny aretin-kibo sy ny tazo eto Antananarivo noho ny afitsoky ny rano miakatra sy ny loto

 

. Any Amin’ny faritra Alaotra Mangoro dia voalaza fa ny kolera sy ny pesta no atahorana hirongatra. Ny Fiparitahan’ny fako tsy voavory dia hanamora tokoa ny fihanahan’ireo aretin-dratsy ireo,  voakasik’izany koa Antananarivo. Fa ny tena atahorana dia ny toe-pahasalaman’ireo traboina izay efa reraka sy tsy ampy sakafo. Raha any amin’ireny toerana fonenan’izy ireo ireny no tratran’ny areti-mifindra dia tsy ho hita pesipesenina ny fahavoazana. Vao mainka moa fa hatao  ao anaty toerana iray  ny traboina 24 000. Azo antoka fa ho teritery izany toerana izany noho ny hamaroan’ny olona ka dia ho mora ny fifindran’ny mikraoba.


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • LalĂ na mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT