Manoloana ny fizotry ny raharaham-pirenena amin’izao fotoana dia niezaka ny naka ny hevitry ny olom-pirenena tsotra manaraka akaiky ny tontolo politika ny Tia Tanindrazana, ka tahaka izao ny fomba fijerin’ity raim-pianakaviana iray ny tontolo politika amin’izao fotoana.
Mikasika ny fametrahana ny CST sy ny CT aloha dia tahaka izao ny nambarany : «Raha ny fahitako azy, tsy hamaha krizy mihitsy io satria ny teo ihany no miverina. Ny nahatonga ny krizy dia ireo olona ireo ihany, na antoko izany na ilay olona mihitsy (personne) ka tsy hahavaha ny krizy ireo amiko. Apetraka tsy hanao asa ireo fa hizara seza fotsiny, ny mason-tsivana nisafidianana azy ireo aza dia hafahafa ihany : ministra taloha, na efa parlemantera, tsy misy fijerena ny lafiny teknika mihitsy fa omena seza fotsiny ireo very seza teo aloha. Fitantanana iarahana ihany no izy, izay vao manao fifidianana ».
Mahoraka koa moa amin’izao fotoana ny fiverenan’Atoa isany Didier Ratsiraka sy Marc Ravalomanana, ka tahaka izao indray ny fijeriny ny amin’izay. «Raha ny fahitako azy dia ilaina ny fodian’izy ireo eto an-tanindrazana mba hampazava ny zava-drehetra. Amin’izay koa tsy misy be ketrika sy manao sangodim-panina politika be intsony ireo mpisolo toerana (Raharinaivo, Fetison sns) fa tonga dia ny filohan’ny Ankolafy no manapaka sy mamoaka fanambarana na hevitra. Aleo koa izy ireo mba hiaraka mahita ny zava-misy amin’ny vahoaka eto fa tsy any lavitra any fotsiny no mamisavisa e ! Amin’izay koa dia hita hoe : ilain'ny vahoaka ve sa tsia izy mirahalahy. Ilaina ny fifampiraharahana satria mila milamina ny firenena, tsy asiana romoromo intsony ny fiainana. Tsy tokony hifanalavitra tamin’ny satan’i Maputo ny drafitra ivoahana amin’ny krizy eto, satria izay no eken’izao tontolo izao. Ka raha izay no izy dia mila mody eto izany Ratsiraka sy Ravalomanana e!”.
Efa karazana fanampin-tsakafo ho an’ny Malagasy amin’izao fotoana ny grevy. Tsotra ny nambaran’ity mpanara-baovao politika ity ny momba izany : “Misy tsy milamina ao, ny antony dia ny zavatra rehetra mihitsy no tsy mandeha amin’ny laoniny. Matoa ny olona migrevy dia efa leo izy, taloha tsy dia misy ny grevy satria angamba milamina ny rehetra fa izao kosa efa tena mihoatra ny azo hihafiana no mitranga e !Dian’ondry io, izay ataon’ny ao ambony ihany no ataon’ny aoriana. Nozarina nidina an-dalambe sy nandrodana izy dia mieritreritra fa mety foana izany amin’ny fotoana rehetra”.
Ho fehin’izay rehetra izay dia misy ny hafatra miantoraka manokana amin’ny filohan’ny tetezamita Andry Rajoelina avy amin’ity olom-pirenena manaraka akaiky ny tontolo politika ity, ka nanambarany fa aleo miala rehefa tsy mahavita azy fa aza atao kilalao ny fiainam-bahoaka. Ho an’ireo rehetra mbola mieritreritra ny handrodana fitondrana ara-dalàna kosa, amin’ny manaraka dia eritrereto tsara aloha ny mety ho vokany, ary aza miara-miasa amin’ny mpanolotsaina fohy fisainana. Tahaka ny olona maro koa moa dia angatahany ny hanokafana ny kianjan’ny demokraisa etsy Ambohijatovo mba hahafahan’ny rehetra maneho hevitra. Manizingizina moa ity raim-pianakaviana ity fa raha tena sahy i Andry Rajoelina dia tokony hanao fifidianana sefo Fokontany ihany koa, dia ho hitany eo hoe firy ny olona manara-dia azy.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.