Actualités

Fiahiana ny sosialim-bahoaka Tsy voafehin’ny fanjakana intsony


  • Alarobia 08 Febroary 2017

Tsy misy izay tsy mikolay amin’ny fampandehanana ny fiainana andavanandro ny isan-tokantrano amin’izao fotoana izao.

 Mba nisy ny krizy tamin’ny taona 2002 sy 2009 raha araka fanadihadiana natao teny rehetra teny saingy tsy mbola latsa-paka tahaka izao ny fahoriana mianjady amin’ny Malagasy. Manginy fotsiny ny fanararaotana hataon’ny sasany izay efa tena mihatra aman’aina mihitsy, indrindra fa ny fiakaran’ny vidim-bary sy ny saran-dalàna. Santionany amin’izany ireto sendra ny gazety Tia tanindrazana ireto.

Ramatoa Noeline na i Mamaline :Tena mafy ilay fiainana ka ! Ho anay manokana zao telo mianaka izahay no ao an-trano. Raha roa kapoaka sy tapany ny vary fahandronay teo aloha isan’andro dia nahena ho roa kapoaka izany fa tena tsy vita intsony. Efa 700 Ar mantsy izao ny kapoakam-bary ety aminay ety Ambohijanaka ety. Rahany fahalalako azy anefa dia tsy tokony mbola izao fa amin’ny taona ho avy vao hiakatra ny vidim-bary satria tamin’ity taona ity no tsy nisy rano. Ny mpanararaotra no be dia be e ! Tsy maintsy hiainana anefa ilay izy ary ho entina mora satria raha sanatria ka marary fo eo koa dia maty dia aiza no hiafarana ????

Ramatoa Eliana Bezaza : Mila tsy ho zaka intsony mihitsy ilay vidim-piainana ankehitriny. Ny ahy ilay jiro sy rano tapa-dava ity no tena mandreraka ahy. Voatery hampanarahina an’izay tsy fidiny  koa ny fiainana. Fa maninona moa raha mba mitady vahaolana maharitra ilay fanjakana fa tsy hatao peta-toko tahaka izao foana  e ??? na tsorina mihitsy fa efa banky ropotra ny JIRAMA fa tsy fafazana lainga lava izao ny vahoaka. Ny tena mety raha ny hevitro manokana dia tokony ny fanjakana hatrany no hitantana ny foto-drafitrasa tahaka ireny fa tsy omen any sehatra tsy miankina izany. Tena hita taratra izany amin’ity orinasa JIRAMA ity. Dia tsy misy hafa amin’izay ny mahazo ny vahoaka amin’ity fampiakarana saran-dalàna ho 500 Ar ity. Ny sehatra tsy miankina no mitantana azy dia izay tiany no hataony.

Tsiahivina moa  fa efa nidina ny vidin-tsolika nanomboka ny sabotsy teo taorian’ny fifampiresahana nifanaovan’ny fitondram-panjakana tamin’ireo mpamatsy solika eto amintsika. Ny mahavariana anefa dia vao mainka nitombo ireo koperativa nampiakatra ny saran-dalàna ho 500 Ar  toy ny taxi-be laharana 133 mamkeny Itaosy, ny koperativa 113 mampitohy an’Analakely amin’i Miandrarivo…raha koperativa enina ihany izany teny am-piandohana. Raha izao no mitohy dia ahiana tsy ho ela  ny hisian’ny fipoahana ara-tsosialy eto amintsika.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Betsaka ny lesona

  • Saika hanatitra
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

kojakojan-dreniny

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

Hijery ny tohiny
FTT