Actualités

Fiahiana ireo traboina Nanampy ny BNGRC ny CNaPS


  • Alatsinainy 15 Janoary 2018

Manoloana ireo voina nihatra tamin’ny mpiray tanindrazana noho ny fandalovan’ny rivodoza AVA ary amin’ny maha orinasa misahana ny fiahiana ara-tsosialy azy dia nitondra ny voatsirambin’ny tanana nanolotra fanampiana ho an’ireo traboina manerana ny nosy ny fianakaviamben’ny CNaPS ka nanolotra vary miisa 55 gony,

 

bodofotsy miisa 550 ary savony miisa 500 baoritra. Ny BNGRC no hitsinjara ireto fanampiana ireto, ka any amin’ireo toerana ilana fanampiana maika, izany hoe ireo toerana maro traboina no handefasana ny fanampiana toy ny eto Antananarivo Renivohitra, Toamasina voalohany sy faharoa, faritra Vatovavy Fitovinany ary Alaotra Mangoro. Nambaran’ny talen’nyfitantanan’ny CNaPS Rakotomila fa tsy vitan’ny CNaPS ny hizatam-potsiny ireo traboina izay rava trano sy rava fananana vokatr’iny rivodoza AVA iny, ka naniraka ny fianakaviamben’ny CNaPS  ny tale jeneraly Arizaka Rabekoto Raoul nitondra ireo fanampiana ireo teny amin’ny BNGRC.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT