Tonga teto Antananarivo avokoa ireo solontenan’ny fikambanan-dry masera “Fo Masin’i Jesoa” niatrika fiofanana momba ny zon’ny mpiasa satria ry masera dia mampiasa olona maro amin’ny andraikiny toy ny fanabeazana, ny fitsaboana sy ny asa sosialy isan-karazany.
Nanatona ny CNaPS izy ireo nangataka fiofanana mba tsy hisian’ny olona ampiasain’izy ireo ho very zo. Tontosa teny Ampasanimalo ny fiofanana ary nanatrika teny ny tale jeneralin’ny CNaPS Atoa Arizaka Rabekoto Raoul. Miisa 22 ireo masera avy amin’ny lafivalon’ny Nosy niatrika fiofanana teny an-toerana. Masera manana andraikitra amin’ny fikirakirana ny vola sy ny fitantanana ny maha olona eo anivon’ny “Fo Masin’i Jesoa” izy ireo. Faniriany ny hahafantatra antsipiriany ny adidin’ny mpampiasa sy ny zon’ny mpiasa satria dia mampiasa olona maro ry masera. Ao ny sekoly, ny tobim-pahasalamana, ny fikarakarana ireo olona sahirana. Mba tsy hisian’ny fanambakana mpiasa dia nanatona ny CNaPS ny lehiben’ny fikambanana nangataka fiofanana manokana momba ny CNaPS sy ireo tolotra omeny ary ireo karazana tombontsoa azo ao amin’ny Tahirim-pirenena momba ny fiahiana ara-tsosialy. Namaly ny hetahetany ny toniam-pitantanan’ny CNaPS tarihin’ny tale jeneraly Andriamatoa Arizaka Rabekoto Raoul tonga teny Ampasanimalo. Nambarany fa “izahay eo anivon’ny CNaPS dia misahana ny fiahiana ara-tsosialy voarindra ary andraikitra napetraky ny fanjakana amin’ny Tahirim-pirenena momba ny fiahiana ara-tsosialy ny manome karazana fanampiana telo ho an’ny mpiasa sy ny vady aman-janany dia ny fitsinjovana ny fianakaviana, ny fanampiana raha marary na tra-doza vokatry ny asa ary ny fisotroan-dronono”.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.