Actualités

Fiahiana ara-tsosialy- Matsiatra ambony Hiezaka hanatsara ny fidiram-bolany ireo kaominina


  • Zoma 24 Novambra 2017

Mba ho famahana ny olana mianjady amin’ireo kaominina ao anatin’ny faritra Matsiatra Ambony momba ny fiahiana ara-tsosialy dia nomena fiofanana ireo ben’ny tanàna sy mpanolotsaina ary mpitam-bolan’ny kaominina maherin’ny 300 ao anatin’ny distrika 7 mandrafitra ny faritra Matsiatra Ambony.

 

 Fiofanana izay nentina hanatsarana ny fomba fiasa sy hanomezana torolalana ireo tompon’andraikitra voalohany eny anivon’ny kaominina, nivoitra nandritra ny fiofanana ny fampahafantarana ireo fanovana misy amin’ny fomba fitantanam-bolan’ny kaominina toy ny fandaniana tsy maintsy atao, ny fanaraha-maso ary ny fisafoana mba hisian’ny mangarahara. Mila mazava tsara toy izany koa ny fandraisana mpiasa ao amin’ny kaominina izay mila fanarenana satria tsy maintsy atao mangarahara sy fantatry ny rehetra. Olana tsy ahafahan’ny kaominina mivelatra mantsy ny fahabetsahan’ny mpiasa ao aminy nefa ny fidiram-bola kely tsy maharaka ny karaman’izy ireo. Maro ihany koa ny trosa navelan’ireo ben’ny tanàna teo aloha ka baben’ireo ben’ny tanàna amin’izao fotoana. Goavana amin’izany ny tsy fandoavana ny latsakemboky ny mpiasan’ny kaominina mpikambana CNaPS nandritra ny taona maro, ka tsy ahafahan’ireo mpiasa misitraka ny zony. Misy amin’ireo kaominina no manana trosa hatramin’ny 200 tapitrisa ariary. Nivoitra nandritra ny asam-bondrona fa hiezaka hanatsara ny fidiram-bolan’ny kaominina ireo ben’ny tanàna mba handoavana izay tratry ny herin’izy ireo amin’ny trosa.

Fangatahan’ireo ben’ny tanàna kosa amin’ny fitondram-panjakana ny hametrahana ny lalàna mamaritra ny karama raisin’ny mpiasa amin’ny tsy miankina sy ny hampiakarana ho 60% ny hetra miditra amin’ny kitapom-bolan’ny kaominina mba hanohanana ireo vondrom-bahoakam-paritra izay marefo ara-bola. Aorian’i Matsiatra Ambony dia hahazo tohana toy izao ireo vondrom-paritra ao anatin’ny faritra Itasy amin’ny volana desambra 2017.

 

RTT

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT