Actualités

Fiahiana ara-tsosialy ho an’ny tantsaha Nofanina ireo mpanao fanadihadiana ao Bongolava


  • Talata 25 Aogositra 2015

Ny tantsaha mpamokatra no mandrafitra ny 85%-n’ny Malagasy ary miantoka ny famahanana ny mponina rehetra manerana ny Nosy.

 


 

 Satria mihena be ny hery enti-mamokatra rehefa mihalehibe sy mihaosa, dia tokony hisitraka ny zo fototra tokony ho azy tahaka ny mpiasa amin’ny sehatra tsy miankina ihany koa izy ireo. Tsy mbola misitraka izany zo izany izy ireo amin’izao fotoana saingy efa eo am-panaovana ny fanadihadiana ahafahana mametraka ny fiahiana azy ireo ny CNaPs sy ny tranoben’ny Tantsaha. Anisan’ny tanjona ny ahafantarana ny latsakemboka mety ho azon’ireo tantsaha arotsaka raha mihoatra ny vola miditra amin’izy ireo sy izay tokony hofantarina rehetra hahatomombana ny fiahiana. Faritra faha-11 nanaovana fanadihadiana ifotony ny eny amin’ny Faritra Bongolava izay laharana fahatelo amin’ny famokaram-bary no sady tsenan’ny omby voalohany eto amin’ny Nosy.  Nisy moa ny atrikasa fanofanana ireo teknisianina hanao ny fanadihadiana tao amin’ny distrikan’i Tsiroanomandidy. Ny faritra Analamanga sy Amoron’i Mania no hahazo, aorian’izao.


 

RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

  • GĂ©rard Ramamimampionona
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Milaza hoe te hanavao izao ny

  • Afera sinoa 11,
  • Talata 27 Oktobra 2026

olona ambony voatonona

  • Tale mpanatanteraky
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny ONTM vaovao

  • FIZAHANTANY MATIHANINA
  • Talata 27 Oktobra 2026

Tompon’andraikitra maromaro

  • MALOTO
  • Talata 27 Oktobra 2026

NY RIVOTRA ETO ANTANANARIVO

Hijery ny tohiny
FTT