Actualités

Fiahiana ara-tsosialy ao Toamasina Nanao hetsika nandritra ny 3 andro ny CNaPS


  • Alatsinainy 08 Jona 2015

Toamasina indray no nosafidian’ny CNaPS nanaovana hetsika fanairana ny mpampiasa mba hampiditra ny mpiasa ho mpikambana ao aminy.

 

Toamasina indray no nosafidian’ny CNaPS nanaovana hetsika fanairana  ny mpampiasa mba hampiditra ny mpiasa ho mpikambana ao aminy. Nampahafantarina ihany koa fa zo fototra maha-olona ny fananana fiarovana ara-tsosialy ary tombotsoa ho an’ny olon-drehetra tsy an-kanavaka izany. Hetsika maro no nokarakarain’ny CNaPS tao amin’ny renivohitry ny faritra atsinanana sy ny Fokontany manodidina nandritra ny telo andro. Nanomboka ny 3 hatramin’ny 5 Jona lasa teo. Nisy ny atrikasa momba ny fandaharan’asa fanapariahana ny fiarovana ara-tsosialy (PPPS), ny CNaPS mitety vohitra, ny trano heva maro isan-karazany, ny fananganana ny Club CNaPS Zandriolona. Hetsika izay tafiditra amin’ny politikan’ny Tahirim-pirenena amin’ny fanakaikezana ny vahoaka sy ireo mpandray zo. Nandray anjara mavitrika tamin’ny atrikasa ny solontenan’ny mpiasa, ny mpampiasa, ny mpitsara , ny mpisolo-vava , ny sendikalista ary ny mpanao gazety. Natsangana any amin’ny faritra Atsinanana ihany koa ny klioba CNaPS Zandriolona izay ahitana ireo mpianatra amin’ny sekolim-panjakana manentana ny rehetra ny maha zava-dehibe ny fananana fiahiana ara-tsosialy.

 

Nangonin’i RTT

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT