Nototonsaina tetsy amin’ny tokotany malalaky ny minisiteran’ny asam-panjakana sy asa ary ny lalàna sosialy tetsy amin’ny 67 ha ny talata 28 aprily, ny fanamarihana ny andro iraisam-pirenena momba ny fiahiana ny ara-pahasalamana eo anivon’ny asa. Tompomarika tamin’ny hetsika niaraka tamin’ny minisitera ny BIT na ny birao iraisam-pirenena momba ny asa ka ireo
orinasa samihafa misahana ny fitsaboana ny mpiasa manokana tahaka ny Cnaps, Ostie, Omsi, Fp, ny Amit sy ny Smia no samy niantsoroka ny fampirantiana sy nahapahafantatra ny zava-misy ao aminy avy. Voaresaka manokana tamin’ny famelabelarana natao tao amin’ity hetsika ity ny tena ilana ny sendika eny anivon’ny orinasa tsirairay mba hampahatsiahy ireo tombontsoa samihafa tokony ho azon’ny mpiasa na dia heverin’ny mpampiasa ho manohintohina ny fiandrianany aza ny fisian’ireo mpitarika ny mpiasa indraindray. Fa ny tena zava-dehibe heno teny amin’ny 67 ha koa tamin’io talata io dia ny fitsanganan’ny APPSTM na ny « Assocition des Professionnels de Santé et de Sécurisation des travaux de Madagascar » izay tarihan’ny filohany ny Dr Alain Kapisy izay sady filoha mpitantana ny Smia rahateo. Nambaran’ny Dr Rabeson Tiana kosa izay Mpitam-bola ao amin’ny fikambanana fa niandraikitra indrindra ny fijerena ny fiarovana mialoha ny mpiasa amin’ny aretina ny andraikitry ny Appstm manomboka eto, araka ny voalazan’ny lalàna, ary mahazo miditra ho mpikambana avokoa ny orinasam-pahasalamana misahana manokana ny mpiasa satria hatrizay dia ny fitsaboana ny aretina no tena nimasoana fa tsy nisy fiarovana mialoha izay mety hitranga araka io voalazan’ny lalàna io.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.