Actualités

Fiadidian’ny Repoblika Namboly zanakazo 2850


  • Alatsinainy 29 Janoary 2018

Nanatanteraka fambolen-kazo tany Ilamaka, fokontany Ankadivola ao amin’ny kaominina Ambohijanaka ny avy amin’ny fiadidian’ny Repoblika notarihin’ny filoham-pirenena mivady ny sabotsy 27 janoary lasa teo.

 

Nambaran’ny filoham-pirenena fa zava-dehibe ny ady amin’ny fiovaovan’ny toetr’andro sy ny fiarovana ny tontolo iainana. Zanakazo isan-karazany miisa 2850 no voavoly, toy ny pibasy 600 isa, Zavoka 440, jatropha 320, acacia 310, paiso 170, voarohy hazo 150, manga 100, voasary 100, grevillea 100, dodonea 90, filao 60, lodisia 50, badamiers de Madagascar 37, Frênes 320, voatabia hazo 30, ary baobab 04. Nihaona tamin’ny filohan’ny fokontany tao Ankadivola ny filoham-pirenena. Hetahetany ny hisian’ny herinaratra sy ny hanavaozana ny EPP ary famatsiana masomboly ho an’ny mponina. Nampanantena ny handefa masomboly ny filoha amin’ity herinandro ity, ary any aoriana ny fametrahana herinaratra mandeha amin’ny herin’ny masoandro. Hampahafantarina ny toe-javatra ao Ilamaka ny Jirama, mba hahafahan’ny tanàna misitraka herinaratra. Mikasika ny EPP kosa dia mbola hifampiresaka amin’ny tompon’andraikitra ny filoha.


Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT