Tsy hita popoka hatramin’izao ny momba ilay Filankevitry ny Fampihavanana Malagasy na FFM, taorian’ny filazana fa tsy ara-dalŕna sy tsy nanara-penitra ny fananganana azy.
Mbola nanamafy izany ihany moa farany teo ny komity mpanara-maso ny fampiharana ny tondrozotra na CSC. Hotanterahana afaka fito volana ny fifidianana. Tsy maintsy apetraka anefa aloha ny fitoniana ara-politika sy ara-tsosialy vao afaka hiroso amin’izany fifidianana izany mba tsy ho verivery foana tsy amin’antony ny volabe. Na ny governemanta na ireo vondrona sy antoko politika isan-karazany, eny fa na dia ny olom-pirenena tsotra manaraka akaiky ny politika aza, dia samy nahita fa kiantranoantrano no nisy tamin’ny fisafidianana ireo 44 mianadahy saika hapetraka tao amin’ny FFM. Eo ihany ny hoe olona efa mba fantapantatra ihany ny ankamaroan’izy ireo ary tsy dia azo antenaina firy fa hahavita hampihavana izany.
Fa teo indrindra koa ny fomba nentina nisafidianana ireo olona ireo, izay natao tamin’ny alalan’ny fanaterana CV. Misy ny fomba mety sy mendrika kokoa azo nanaovana izany fa tsy voatery ho tahaka ireny. Nisy tamin’ireo olona ireo ihany koa no efa hita fa tsy nahavita azy tamin’ireo karazana fihaonambe nataon’ny fitondrana FAT roa taona lasa izay, ary misy amin’ireo olona ireo mihitsy aza no azo sokajiana ho mpandranitra sy mpihantsy izay tsy mitovy firehana aminy, ka ahoana moa no haneken’ny maro azy mba hampihavana. Lavitr’ezaka arak’izany ny lalana mbola tsy maintsy ho diavina vao tonga eo amin’ilay fampihavanana tena izy, ny tena marina angamba dia ny hoe fifanarahana politika manome antoka ny filaminana mialoha sy mandritra ary aorian’ny fifidianana no tokony atao. Azo atomboka miaraka amin’izay ny fampihavanam-pirenena dia tohizan’izay mpitondra voafidim-bahoaka hitantana ny Repoblika faha-4. Mahakely finoana mantsy ny hoe hahavitana fampihavanam-pirenena, ao anatin’ny fito volana izany, noho izao tany tsy mbola milamina izao. Raha fintinina ny resaka dia mbola tena any an-kibon’ny omby izany ny fananganana ny Filankevitry ny Fampihavanana Malagasy satria sady efa tsy mora ny fanatanterahana azy, no mbola misy manasarotra koa.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.