Nizotra tsara araka ny tokony ho izy ny fakan-kevitra natao tany amin’ny faritra, hoy ny mpitandrina Lala Rasendrahasina filoha mitarika ny FFKM amin’izao fotoana. Efa nisy ihany koa ny asa mangina nihaonana sy nifampidinihana tamin’ireo filoha roa dia Andry Rajoelina sy Zafy Albert
izay nisitaka tamin’ny fampihavanam-pirenena. Tsy fifandresen-dahatra akory no natao, hoy izy, fa fampahafantarana azy ireo ny maha zava-dehibe ny fampihavanam-pirenena. Nanipika mazava ny mpitandrina Lala Rasendrahasina fa tsy hoe ny hevitry ny FFKM no raisina sy ekena amin’ity resaka fampihavanam-pirenena ity fa tena ny hevitry ny olona mandray anjara amin’ny fivoriana no aravona sy hamoahana ny tsoa-kevitra farany.
Nangonin’i RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.