Actualités

Fety etsy Anosy Rongony sy fanendahana no betsaka !


  • Zoma 25 Jona 2010

Lasa faritra mena tampoka Anosy sy Mahamasina noho ny fisian’ny «podium» eny amin’ny manodidina eny. Vao roa andro lasa izay no nisy tsatok’antsy, ny marimarina kokoa nandritra ny fampisehoan’i Big Ali, dia heno koa omaly fa maro tamin’ireo mpijery no voaendaka nandritra ny fodiany.

Mbola endrika iray hisian’ny tsy fahatomombanana eo anivon’ny komity mpikarakara ny fety ny toy izao. Tsy nomen-danja firy ny lafiny fandriampahalemana. Raha ny fitarainana azo tetsy sy teroa aza dia marobe ihany koa ireo voaharom-paosy tao anatin’ny fijerena ny fampisehoana. Raha ny tena marina izany tsy dia misy mandeha amin’ny laoniny loatra ny fety etsy Mahamasina sy Anosy. Takon’ny fampisehoana anefa ka tsy hita loatra ny ratsy ao ambadiny. Toa vitavita maika avokoa izay rehetra jerena, raha tsy hiteny afa-tsy ilay tsangambato saika hotokanana tetsy Mahamasina kinanjo... nirodana. Ary dia hita mivandravandra ihany koa ireo sainam-pirenena natao balonina (ballon) izay natao haingon’ny ranon’Anosy sy ny ranon’i Cenam ary natsipy tao anatiny mihitsy. Asa raha adino fa rano maloto ireo... 

r.d

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT