Actualités

Fetin’ny Paska ao Antsirabe Vao mainka miavaka ny amin’ity


  • Sabotsy 31 Martsa 2018

Anaty lanonan’ny paska tanteraka ny ao Antsirabe na dia nosantarina tamin’ny oram-baratra aza izany omaly. Isan-taona moa dia mivoatra sy miova hatrany ny endriky ny fankalazana satria hatramin'izay dia nanjaka tokana ny orinasa mpamokatra zava-pisotro iray ao an-toerana, amin'ny fanafanana ny fety.

 Tato anatin'ny taona vitsivitsy anefa, dia marobe ireo orinasa hafa niantsehatra, ka tapitra teo ilay manjaka tokana fahiny. Miavaka ny nanokafan'ny orinasa Comadis L'iles Rouge ny hetsika nataony, izay amina toerana manokana ao amin’ny kianjan'ny Le Rêve. Tamin'ny alalan'ny “carnaval” lehibe nihodidina an'Antsirabe no nanombohany ny hetsika, ka tazana nanafana izany i Momota sy ny tariny. Ireo tanora marobe no nomena sehatra tamin'ny alalan'ny fampisehoana tanlenta sy hakingana isan-karazany, toy ny filalaovana bisikilety sy ireny kiraro misy kodiarana ireny, ary ireo mpanakanto kosa mampiseho ny fomba Malagasy sy Afrikanina. Hanana mpanakanto manokana hanafana ny hetsika ataony ihany koa izy ireo dia i Mario sy Mage 4, Elidiot sy Black Nadia ary i Momota sy Lion Hill sy Shyn no hamarana azy. Ankoatra ireo dia hisy ny fifaninanana karaoké sy afomanga goavana. Ankoatra ireo moa dia manana ny azy manokana ihany koa ny orinasa Star eny anoloan’ny Gara, toy ny isan-taona. Eo ihany koa ny hetsika ara-pilazantsara goavana Paska Famonjena manoloana ny lapan'ny kolontsaina Antsirabe.


 Matetika no misy ny fanararaotana amin’ny saran-dalana mihazo an’Antsirabe rehefa paska tahaka izao. Sokajiana ho mpandika lalàna ka azo enjehina, afaka mampilaza ny ATT ireo mpandeha miaraka amin’ny porofo, hoy ny filohan’ny mpitatitra eto Madagasikara na ASTRAM Rakotondrafara Frédinard satria tokony ho 10 000Ar eo hatrany ny saran-dalana.

Caius R sy Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT