Hafana indray ny fetin’ny Paska ao Antsirabe amin’ity taona 2018 ity. Hotanterahina any an-toerana manomboka ny 30 martsa ka hatramin’ny 2 aprily ho avy izao indray mantsy ny “Star Tour” izay hanasana ny mpiala sasatra rehetra.
Filaharam-be mamakivaky ny tanàna handraisan’ireo mpiasa eo anivon’ity orinasa iray ity anjara no hanokafana ny lanonana. Arahina fanentanana tsy miato izany. Hisy ihany koa ny podium iarahana amin’ireo mpanakanto malaza. Anisan’ny handray anjara ao ry Arione Joy, Stéphanie, Rak Roots, Ambondrona, Njakatiana. Samy hanana ny fandaharam-potoanany avokoa ireto mpanakanto ireto mandritra ny telo andro. Ho an’ireo te-hiala voly manokana kosa dia efa misy ny “Espace pression” hahafahana manao karaoké sy mifaninana manao “Cover” izay hofaranana amin’ny fizarana loka avokoa. Misy ihany koa ny toerana hahafahan’ny ankizy milalao.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.